airtel

Actualités

11-août-2026

Afera goavana tao amin’ny

Fanalamanga Nahatratra 8 500 000 000Ar

Sample post image

ny vola voahodinkodina

11-août-2026

Nampivarahontsana ny sora-bola manodidina ny kolikoly tao amin’ny orinasa Fanalamanga tao anatin’ny 5 taona farany. Nahatratra 8 500 000 000Ar ny vola voahodinkodina, raha ny ampamoakan’ny Tale Jeneraly mpisolo toerana Atoa Kouthri Tombosoa Sahadli. Tao anaty olana lehibe no nandraisany ny fitantanana nanomboka ny 7 janoary 2026 : ara-bola, maha olona, ary ny fintanana ny ala sy ny fitaovana. Zara raha nahaloa karaman’ny mpiasa ny tetibola sy ny kitapombolan’ny orinasa, niiba na -450 tapitrisa Ar ny vokatra sy vola, tsy ampy nandoavaka karama iray volana ny vola nisy,... Nisy vola tokony hiditra amin’ny kitapombolan’ny orinasa, saingy tsy fantatra na fanahy niniana na tandrevaka, ary ny kely tafiditra indray dia mbola nivoaka tamin’ny zavatra tsy tombotsoan’ny orinasa akory mba tsy hilazana fa fandanindaniam-poana tamin’ny fomba tsy ara-dalàna. Efa vita ny fanadihadiana lalina na « audit », a eo amin’ny 8miliara sy 500 tapîtrisa Ar ny vola nivoaka tsy ara-dalàna teo anivon’ny orinasa. Teo amin’ny 5 miliara Ar ny vola nivoaka tamin’ny baolina kitra nandritra ny 5 taona ka ny 1,5 miliara Ar tamin’ny 2025, kanefa andaniny notapahana efa a-taonany vitsivitsy ireo asa sitrahan’ny vahoaka any ifotony amin’ny alalan’ny fikojakojana ny ala, kanefa antom-pisian’ny Fanalamanga ny fanarenana sy fikojakojana ny ala vao fitrandrahana. Natao famoaham-bola fotsiny ny baolina kitra, olona iray ao anaty Staff ohatra mahazo 20 tapitrisa Ar kanefa maromaro no ao,… Tsy ratsy ny fanatanjahantena, kanefa ny antom-pisian’ny orinasa mihitsy no natao ankilabao. Mahatratra 450 tapitrisa Ar ny vola nivoaka tamin’ny kitapom-bola (caisse) tsy fantatra ny nandaniana azy, vola tamin’ny taratasim-bola 340 tapitrisa Ar, misy orinasa matoatoa antsoina namoahana 775 tapitrisa Ar tamin’ny resaka « pylone » izay tsy asan’ny Fanalamanga ; famoahana vola mivantana avy amin’ny kitapombola 230 tapitrisa Ar isaky namoaka toy ny tamin’ny 30 aprily sy tamin’ny 3 mey ary ny 30 mey,… navoaka tamin’ny anaran’io orinasa voalaza io. Sombitsombiny fotsiny ireo, fa efa lasa any amin’ny fitondram-panjakana ny valin’ny « audit », ka inoana fa handray ny andraikitra ny fitondram-pajakana teo anatrehan’ny famotehana, hoy ny Tale Jeneraly Mpisolo toerana Atoa Kouthri Tombosoa Sahadli, ny faran’ny herinandro teo tao amin’ny fahitalavi-panjakana TVM.

MIROSO NY FANARENANA
Niezaka nametraka paikady hampidirana vola ny orinasa, ka nanamafy ny « recouvrement » toy ny amin’ireo mpitrandraka izay niniana tsy notakiana teo aloha noho ny antony tsy fantatra. Nitombo 5 avo heny tamin’ny vola novantanina ny ao amin’ny kitapombola amin’izao. Naravona ny disadisa sy fisaraham-bazana teo amin’ny mpiasa, mahatratra 110% ny fanatanterahana ny asa ; afaka nampisitraka ny mpiasa tamin’ny fampiakarana karama ; nampitomboina avo 3 heny ny tetibola amin’ny fikojakojana ny asa ka vahoaka an’arivony no miasa amin’izany. 200 000HA eo ny velaran’ny Fanalamanga, saingy tsy izy rehetra no rakotra ala, andalam-pahapotehana ny ala, ka ilàna fiarovana sy fitrandrahana araka ny tokony ho izy. 800 eo ny mpiasa raikitra, fa nampiditra mpiasa tsy raikitra 1000 ho fanomezana asa eny ifotony satria isan’ny nahatezitra ny zanak’i Moramanga ka mampirongatra ny fahapotehana ny hoe nahoana no olom-bitsy no misitraka. Naneho fa mijoro ny Tale Jeneraly na mihantra aman’aina aza ny hetraketrak’ireo zatra ny lalan-dririnina sy namotika ny orinasa, izay misy milaza fa na handaniany ny fananany aza, dia tsy maintsy miongotra ny Tale Jeneraly. Andrasana ny tohiny…
Toky R
 

Dans la même rubrique

20-août-2026

Taorian’ny tolona mamaivay

Card image cap
20-août-2026

Miverina miaina ny fitrandrahana Kraomita

Card image cap