airtel

Actualités

29-juil-2026

Afera Jirama

Tsy mihemotra manoloana ireo sakana…

Sample post image

Nanomboka teny amin’ny tobim-pamokarana

29-juil-2026

herinaratra HFF Ambohimanambola ny fidinana ifotony nataon’ireo solombavambahoaka mivondrona ao anatin’ny vaomiera mpanadihady mikasika ny JIRAMA. Tsy tokony mihemotra amin’ireo sakana sy fahasahiranana mety hatrehina amin'ny fanovana sy fanitsiana ary fanavaozana hapetraka eo anivon’ny JIRAMA isika, hoy ny Filohan’ny Vaomiera mpanao fanadihadiana Pety Rakotoniaina. Notsindriany fa tao anatin'ny roa herinandro nanaovan'ny Vaomiera ny fanadihadiana dia efa hita fa misy fifanarahana sasantsasany izay heverina fa tsy niaro araka ny tokony ho izy ny tombontsoan'ny Fanjakana, ny JIRAMA ary ny vahoaka malagasy. Noho izany dia ilaina ny fanamarinana eny ifotony mba hahafahan'ny Vaomiera manangona vaovao marina sy mampahafantatra am-pahitsiana ny vahoaka ny tena zava-misy, sady maneho fanohanana sy firaisakina amin'ny Fahefana Mpanatanteraka izay tompon'andraikitra mivantana. Nambara fa ilaina ny fahasahiana, ny fahavononana ary ny fahatapahan-kevitra mba hahafahana manatanteraka ireo fanavaozana ilaina ho tombontsoan'ny firenena sy ny vahoaka malagasy. Ny tompon'andraikitra avy amin'ny Henri Fraise Fils et Company sy JIRAMA moa no nandray voalohany ireto solombavambahoaka ireto teny Ambohimanambola. Tao aorianan'ny fitsidihana teny Ambohimanambola dia nisy ny fihaonan'ny Vaomiera parlemantera manadihady ny orinasa JIRAMA tamin'ny fitsarana momba ny kaonty teny Tsimbazaza, araka ny tatitra. Dia andrasana isany ny tohiny… Andaniny, noho ilay fahamaizana nitranga tao amin'ny tobim-pamokarana Ambohimanambola ny alin'ny alahady, izay niteraka fahatapahan-jiro faobe teto Antananarivo nandritra ny adiny iray. Nambaran'ny tompon'andraikitra fa nahatratra 35 MW ny tsy fahampian'ny famokarana herinaratra vokatr'izany tranga izany. Nilaza ny Jirama fa nampandeha ny toby mandeha solika rehetra mifandray amin’ny RIA, anisan’izany ny turbine TAC3 ao Ambohimanambola manana hery 18 MW, mba hanonerana ny fihenan’ny famokarana avy amin’ny rano. Manana ny vola ilaina hanohanana ny asan’ireo toby mandeha solika. Araka ny fanazavan’ny Jeneraly Hajatiana Rasolomanana, ampy ny fahaizan’ny Jirama mamokatra herinaratra hiatrehana ny fitakiana mandritra ny vanim-potoana maina 2026. Ny vinavina natao tamin’ny volana Jona dia manondro fa hihena ho 19,9 MW ny tsy fahampian’ny famokarana amin’ny volana Aogositra, raha 30,67 MW izany tamin’ny 2025. Tsy midika ho fiverenana amin’ny delestazy ireo fahatapahana hita tato ho ato, raha ny filazan’ny Jirama, izay naneho fa nisy fandatsahana orana tany amin’ny Faritr’Andekaleka nanomboka ny alatsinainy, ka ampy ihany koa ny famokarana hiantohana ny RIA, antoka hatramin’ny Aogositra, fa mbola ampy hiatrehana ny izany ny famokarana herinaratra.
Toky R


 

Dans la même rubrique

29-juil-2026

Miantso ny fanjakana hijery ny tsenam-barom-panjakana ! »

Card image cap
28-juil-2026

Ahiana ny sabotazy goavana taorian’nytenin’ny PRRM

Card image cap
28-juil-2026

Nanome antoka ny ESAAMLG ny Fanjakana Malagasy

Card image cap
28-juil-2026

Tiana ampangaina ho mpamboly

Card image cap