airtel

Actualités

14-mars-2024

Afera maloto tao amin’ny Jirama

Fividianana milina nakana tombony 140 tapitrisa Ar

Sample post image

Mivoatra ny raharaha Jirama, izay nisian’ny mpiasa hatrany amin’ny 18 niakatra

14-mars-2024

teo anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny kolikoly na ny PAC ny 01 martsa lasa teo. Raha hiverenana dia olona miisa 3 no naiditra am-ponja nahitana mpandrindra ankampobeny iray any amin’ny Faritra, mpivarotra milina ho an’ny Jirama, ary mpikamban’ny filankevi-pitantanana iray dia ny Filohan’ny Tambajotra mpiaro ny zon’ny mpanjifa RNDC Atoa Rabetsara Lita no nidoboka am-ponja vonjimaika. Vesatra nanenjehana azy ireo ny fampiasana hosoka tamin’ny fividianana « groupes électrogènes » ho an’ny Distrikan’I Manja sy Ambovombe. Voarohirohy ho nanodinkodina volam-volam-bahoaka, nanararao-pahefana, nanao kiantranoantrano, nanao hosoka sy fampiasana hosoka,… Mivoaka ankehitriny kazarana tatitra sy fanazavana sady taratasy misokatra nataon’ny RNDC miantefa amin’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Olivier Jean Baptiste, ary nianatefan’io ihany koa ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra. Nilaza ny RNDC, fa miezaka mamaha ny olan’ny Centre an’ny Jirama izay manana gropy simba sy efa maty, ka mampividy gropy vaovao na piesy vaovao. « Ny sasany indray miezaka mitady ny tombotsoany manokana, manararaotra ny fahavoazana izay misy ao amin’ny Jirama, ka mampitombo avo roa (x2) heny ny vidin’ny gropy na piesy izay vidiana », hoy ny RNDC. Nomarihina fa tsy izy ireo no manao « Consultation de Prix » na fanadihadiana ny vidiny, fa mandray fotsiny ny gropy sy piesy izay efa voavidy izahay, ary mandefa azy any amin’ny toerana nifanarahana mialoha izay mila azy ireo », raha ny fanazavana nentin’ity RNDC naorin-dRabetsara Lita izay notendrena ho Mpikamban’ny filankevi-pitantanan’ny Jirama na CA nanomboka ny septambra 2021. « Raha nanontany izahay tao amin’ny CA hatramin’izay hoe aiza no ahitana gropy Mora sy tsara, tsy nisy namaly. Rehefa nividy gropy 300kva hamahana any olana any Manja anefa ny tompon’andraikitry ny Jirama ny zoma 19 Janoary lasa teo, dia 418 514 500 Ariary no nividianana ilay gropy. Raha nanao « investigation » izahay androany, dia nahita fa 278 343 000 Ariary ny vidin’ny gropy 300kva mitovy amin’io ambony io. Izany hoe misy elanelam-bidy 140 171 500 Ariary », hoy io fanazavana miantefa amin’ny manam-pahefana io. « Raha tsy nidina ifotony mihitsy izahay dia tsy nahafantatra fa Batimax no misy gropy mora ary tao ihany no nakan’ilay fournisseur Claveland Cie Distribution nividianana an’ilay gropy nalefa any Manja », hoy hatrany ny fanazavana, izay maneho misy ny fanabotsinam-bidy mihoampampana mba hitsetsefana ny Jirama. Nahitsy noho izany ity RNDC ity nilaza sy nitatitra fa toeran’ny Mafia ny Jirama. Raha manontany aza izahay dia tsy mahazo valiny mihitsy. Voatery izahay midina ifotony mijery sy mitady ny vaovao rehetra, mba hisian’ny mangarahara. Raha ny hevitro manokana dia tsy tokony handoa an’io Groupe 300kva amin’io vidiny 418 514 500 Ariary io ny Jirama, fa tokony ho ilay vidiny 278 343 000 Ariary ivarotan’ny Batimax azy ho an’ny rehetra no ividianan’ny Jirama azy », hoy ity taratasy avy amin-dRabetsara Lita ity.
ATAO TANTELY AFA-DRAKOTRA…
Andrasana ny fivoaran’ny raharaha taorian’io, fa raha halalinina amin’ity dia isan’ny mambotry ny Jirama ny toe-javatra tahaka izao. Mety ampahany ihany io, fa betsaka ireo endrika halatra sy figogoana tombotsoa tsy ara-drariny, ka ny vahoaka, ny indostria, ny mpandraharaha no mizaka ny tsy eran’ny aina. Zavatra isan’ny miseho ao anatin’ny Jirama ohatra ny hoe : tsy arakaraka ny fifanarahana ny herinaratra omen’ireo mpiara-miombon’antoka kanefa ny vola aloa mbola midangana, ary efa nivaky an’io ny Minisitry ny angovo iray teo aloha. Raha 45MW ohatra ny fifanarahana, dia zara raha 20MW no atolotra ny Jirama, kanefa mbola ny vidin’ilay 45MW no hefaina. Manampy trotraka izany ny mety endri-pitantanana tsy manjary, raha tsy hilaza afatsy ireo raharaha nahasaringotra Tale Jeneraly roa teo aloha. Mbola manitikitika hatramin’izao ihany koa anefa ny hoe : nahoana no tsy mety voatendry ilay « Manager de redressement » efa ho herintaona aty aorian’ny tsy fisian’ny Tale Jeneraly ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap