Hiakatra eo anivon’ny BRC (Bail and Remand Court) atsy Maurice indray ny fangatahana famotsorana amin’ny alalan’ny anto-bola an’i Mamy Ravatomanga, anio 09 septambra 2026. Taorian’ny andro maromaro nanaovana fitsarana, ny fanadihadiana ifamaliana na «contre-interrogatoire » dia nampiseho teboka maro heverina ho manan-danja. Ny FCC (Financial Crimes Commission) mbola mitsipaka ny famotsorana, manondro ambana sy loza mety hitranga toy ny fitsoahana an-tsokosoko, mety hisian’ny fanelingelenana ny fanadihadiana, ary ny fahasarotan’ny raharaha ara-bola. Ny fiarovana kosa dia mandà izany fijery izany, mampahatsiahy ny faharetan’ny fitanana am-ponja, ny antontan-taratasy efa natolotra nefa tsy voarakitra ara-potoana, ary ny fanekena sasantsasany azo nandritra ny fanadihadiana. Anisan’ny lohahevitra nodinihina ny fivoriana tao Quatre-Bornes, ny raharaha momba an’i Me Junaid Fakim, ny vaovao navoakan’ny FCC taty aoriana, ary ny filazana momba ny hafatra sy ny finday ary ny mety handosirana amin’ny alalan’ny ranomasina. Isan’ny voalahatra fa mety hanamarika ny fitsarana anio ny fijoroana vavolombelon’ny fiarovana sy ny fanambarana ataon’i Mamy Ravatomanga amin’ny alalan’ny « visioconférence » avy ao amin’ny fonja Melrose. Andaniny, voatery nanao fitoriana tany amin’ny Fitsarana Tampony ny mpisolovava Me Khushal Lobine mpiaro an-dRavatomanga omaly noho ny ambarany fa tsy fahazoany mihaona amin’ny mpanjifany amin’ny fepetra nangatahina. Nandefa taratasy tamin’ny 2 septambra izy ho an’ny Komiseran’ny fonja, nangataka hahazo fotoana hihaonana amin’i Mamy Ravatomanga ny 7 sy omaly 8 septambra, mba hahafahany mandray toromarika sy manomana ny antontan-taratasy. Nohazavainy fa ilaina ny fihaonana tsy azo renesin’ny manampahefana ao amin’ny fonja, na dia nekena aza ny fanaraha-maso amin’ny alalan’ny fijery noho ny antony fiarovana. Nandidy ny Komiseran’ny fonja ny mpitsara C. Green-Jokhoo mba hanome alalana an’i Me Lobine hihaona amin’i Mamy Ravatomanga ao amin’ny Eastern High Security Prison Melrose, hahafahany manomana ny antontan-taratasy sy mandray toromarika, saingy tsy maintsy arahi-maso. Midika fa mafana ny fifanoherana manodidina ny raharaha Ravatomanga atsy Maurice. Andrasana anio noho izany valiny hoe : hahazo fahafahana arahina anto-bola ve i Mamy Ravatomanga sa hitohy ny fijanonana any am-ponja ?
Toky R