airtel

Actualités

04-juin-2026

Afera Ravatomanga

Namaly ampahana fiaraha-miasa

Sample post image

ara-pitsarana ny Maorisianina

04-juin-2026

Tamin'ny ampahany na tsy feno ny setriny azon'i Madagasikara tamin'ny fangatahana fifanampiana ara-pitsarana iraisam-pirenena nataon’i Madagasikara tamin'ny Nosy Maurice, araka ny tatitry ny Express.mu ny 02 jona teo, mikasika ny raharaha Mamy Ravatomanga. Tamin’ny 30 janoary, nangataka fanazavana momba ireo orinasa enina voasoratra any Maurice, izay heverina fa an’i Mamy Ravatomanga, lehiben’ny vondrona Sodiat ny Ministeran’ny Fitsarana malagasy. Nandefa ampahany tamin’ny antontan-taratasy tamin’ny alalan’ny mailaka ho an’ny ambasady malagasy ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny maorisianina . Na izany aza, nolazain’izy ireo fa tsy afaka manome antsipirihany momba ny ampahany hafa ka tsy voavaly. Tamin’ny 26 mey, nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny ambasady malagasy fa tsy afaka manome ny antontan-kevitra rehetra nangatahina i Maurice. Ny fangatahana, izay nosoniavin’i Fanani Nomenjanahary Nirilaza Rabariajaona, substitut du procureur ao amin’ny PAC Antananarivo, dia niorina tamin’ny fifanarahana iraisam-pirenena sy ny lalàna malagasy, anisan’izany ny "Convention des Nations unies contre la corruption" sy ny fifanarahana nifanaovan’i Madagasikara sy Maurice tamin’ny 2019, hoy ny fampahalalam-baovao Maorisianina. Ireo orinasa voatonona dia ahitana ny The Litchis Trading Company Ltd, Kintana Holding Ltd, AlthesInvest Ltd, M and L Associates Ltd, Field Phase Ltd ary Globefin Nominees Ltd. Tanjon’ny fangatahana ny hahafantarana ny mpitantana, ny tompony marina, ny fikorianan’ny vola ary ny anjara toeran’izy ireo amin’ny fanomezana "quota" amin’ny fanondranana letisia ho any Eoropa. Antontan-kevitra momba ny orinasa efatra no nomen'ny Maorisianina : Kintana Holding Ltd, AlthesInvest Ltd, Field Phase Ltd ary Globefin Nominees Ltd. Ny roa kosa, The Litchis Trading Company Ltd sy M and L Associates Ltd kosa nambara fa tsy hita tao amin’ny rejisitry ny fanjakana. Na izany aza, nisy orinasa mitovitovy anarana, ka nalefa ihany koa antontan-taratasiny. Ny fanadihadiana ataon’ny PAC Antananarivo dia mifantoka amin’ny sehatry ny letisia, vokatra stratejika ho an’i Madagasikara. Voalaza fa misy ahiahy momba ny kolikoly, ny fanararaotam-pahefana, ny hosoka sy ny fanadiovana vola. Anisan’ny anarana voatonona amin’izany i Mamy Ravatomanga, José Andrianasolo, Herisoa Razakasolo ary Sam Thio Thierry, izay heverina fa manana anjara toerana lehibe amin’ny fanondranana, raha ny voalaza. Nanontany manokana ny Fanjakana Malagasy momba ny fisian’ny "nominee shareholders" na anarana ampiasaina ho tompon'ny petra-bola, izay mety hanarona ny tena tompony. Nangataka ihany koa ny hanomezana ny antontan-kevitra momba ny kaonty sy ny fifanakalo-bola, ary ny tatitra momba ny transaction ahiahiana. Na izany aza, ny setriny avy amin'i Maurice dia nanamarika ny fetra amin’ny fiaraha-miasa ara-pitsarana iraisam-pirenena. Nolazain’izy ireo fa tsy manohitra ny fiaraha-miasa izy fa ny fangatahana dia tsy maintsy mazava sy voafetra. Asa na hanitsy ny fangatahana ho mazava kokoa, na hanohy ny fanadihadiana amin’ny antontan-kevitra efa voaray ny Fanjakana Malagasy ? Heverina ho mbola ho lava ity afera ity fa ny isan'ny zava-dehibe aloha dia ny nitsipahan'ny Fitsarana Maorisianina ny fahafahana vonjimaikan'i Mamy Ravatomanga. Asa hisy hirika ihany ve ny fampodiana sy famerenana ireo heverina fa harena sy vola avy eto Madagasikara navoaka tsy ara-dalàna satria mahatratra hatrany amin'ny 20 miliara dolara ny sora-bola amin'ny afera Mamy Ravatomanga ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap