governemanta Malagasy dia ny Minisitry ny tontolo iainana Malagasy Max Andonirina Fontaine ny alakamisy lasa teo. Ankoatra ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Thaïlande, dia nifampiresahan’ny roa tonta ny dingana ara-pitsarana mifandraika amin’ny fanenjehana ireo mpanao trafikana harem-pirenena voajanahary avy eto Madagasikara, hoy ny tatitra. Misongadina ary tena iompanan’ny resaka moa ny fahatrarana ireo sokatra 1076 sy varika 48 avy aty Madagasikara saron’ny polisy tany an-toerana ny fiandohan’ny volana mey lasa teo. Olona 6 no voasambotra tany Thailande. Voalaza fa naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’i Madagasikara amin’io lafiny ady amin’ny trafika io ny manam-pahefana any amin’io firenena io. « Hampodiantsika eto Madagasikara ireo biby arovana izay tena sarobidy amintsika », hoy io Minisitra io tao amin’ny pejin-tseraserany omaly. Ny DSI (Département des investigations spéciales) izay miara-misalahy amin’ny Biraon’ny Tonia mpampanoa lalàna ambony na « Bureau du Procureur Général no miandraikitra ny fiaraha-miasa amin’ny manam-pahefana Malagasy hahafahana miroso amin’ny fampodiana ireo biby naondrana tsy ara-dalàna, hoy hatrany ny tatitra. Andrasana izany ny fahatafaverenan’ireo harena voajanahary antsokosoko mba tsy ho sanatria ho tahaka ny trafikam-bolamena 73kg mahery tany Afrika Atsimo izay ny olona tafodin’ny Fitondrana Rajoelina fa ny volamena toa lasan’olona ambongadiny. Ny biby any Thaillande tsy tafaverina kanefa dia vao ny herinandro teo ihany koa no nahatrarana trafikana sokatra 400 be izao indray tany Moroni Comores, izay mbola asa iray hafa miandry ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny Fitsarana Malagasy.
Toky R
Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »
Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,
Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.
Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany
Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.
Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy