airtel

Actualités

11-août-2026

Afera

tsenambaro-panjakana 8,3 miliara Ar

Sample post image

Miha milentika i Marie Michelle, 5 hafa nidoboka

11-août-2026

Niakatra fampanoavana teo anivon'ny Tendrom-pitsarana manokana iadiana amin'ny Kolikoly na ny PAC ireo olona voampanga ho nanao fanodikodinam-bolam-panjakana , fananaraotam-pahefana , fanomezana tombon-dahiny manokana, famotsiam-bola, hosoka sy fampiasana hosoka , firaisana tsikombakomba ary fahazoana tombontsoa tsy ara-dalàna teo anivon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena nandritra ny taom-piasana ara-bola 2020-2021. Olona 9 no voarohirohy amin’ity raharaha ity, ahitana orinasa 3 sy olona 5, ka tafiditra ao anatin’io ny Minisitra teo aloha Sahondrarimalala Marie Michelle izay any am-ponja nanomboka ny 19 janoary 2026. Ny 5 tamin’ireo voarohirohy no efa niatrika fitsarana, raha ny telo kosa mbola tsy tratra ary heverina fa any ivelan’i Madagasikara, araka ny tatitra ofisialin’ny PAC. Raharaha hanenjehana azy ireo ny fisiana tsy fanarahan-dalàna lehibe hita tamin’ny famatsiam-bola sy ny fanatanterahana ny tetikasa: Izy sy ny mpiara-miasa aminy dia voarohirohy ho nanodinkodina ny tsenambaro-panjakana tamin’ny tolo-botsotra (marché de gré à gré) izay tsy manaraka lalàna amin’ny fanomezana tsena-baro-panjakana ; fanodinkodinana ny asa amin’ny fanefana latabatra-dabilio fianarana (contrôle contractuel), mpanadihady ny fanadavan-bola (Ordonnateur secondaire), tompon’andraikitra amin’ny tsenam-baro-panjakana (PRMP), mpandrindra ny asa (gestionnaire d’activités) ary ihany koa filohan’ny vaomiera misahana ny fandraisana sy ny fandoavam-bola (président de commission de réception et de paiement). Latabatra-dabilio fianarana miisa 18 399 no nifanarahana sy nandoavan’ny fanjakana vola mitentina 8 327 387 583,99 Ariary ary voarakitra ao anatin’ny fanoratana sy fandraisana azy ; 16558 latabatra dabilio ihany anefa no voamarina fa natolotra ; izany hoe mbola misy 1 841 izay tsy hita izay mitentina 833 236 600 Ariary. Ny ankamaroan’ireo voampanga ireo dia samy nanosoa ny fitanana an-tsoratra fandraisana an’ireto latabatra-dabilio ireo izay voamarina fa hosoka. Nisy findramana anaran’olona-kafa amin’ny fitantanana orinasa nefa hafa no tena tompony. Nisy vola nalefa tamin’ny kaontin’ny orinasa tsy tena tompony ara-dalàna. Anisan’ny vesatra ho an-dRtoa Sahondrarimalala Marie Michelle ny maha voarohirohy azy tamin’ny tamin’ny fanatanterahana ny fifanarahana sy ny fandoavana vola. Heloka iampangana azy ireo noho izany ny fanodinkodinana-bolam-panjakana, fananaraotam-pahefana, fanomezana tombon-dahiny manokana, famositsiam-bola, hosoka sy fampiasana hosoka, firaisana tsikombakomba ary fahazoana tombontsoa tsy ara-dalàna, izay voasoratra ao amin’ny Fehezan-dalàna Famaizana Malagasy, andininy faha-169, 172, 179.1, 180, 180.1, 175.2, 147 ary 148, araka ny tatitry ny Fanjakana. Taorian’ny fandalinan’ny mpitsara, olona dimy tamin’ireo voampanga no nampidirina am-ponja vonjimaika ao amin’ny Fonja Antanimora. Nanamafy ny Tonia Mpampanoa Ambony PAC Antananarivo fa mbola mitohy ny famotorana, ary hanohy ny fikarohana sy ny fitsarana amin’ireo olona mbola tsy tratra.

TSY AFA-NIALOKALOKA TAMIN’NY DINGANA SAROTRA VAO MIAKATRA HCJ
Ny faramparan’ny volana janoary 2026 no efa naneho ny Minisitry ny Fitsarana Fanirisoa Ernaivo, fa ankoatra ny ahiahy momba ny fikasana hanohintohina ny filaminana anatin’ny Firenena, dia voampanga mivantana ihany koa ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha Marie Michelle Sahondrarimalala noho ny raharaha fanodinkodinana-bolam-panjakana tao amin’ny ministera nentiny teo aloha. “Voarohirohy ihany koa ny minisitra teo aloha amin’ny raharaha fanodinkodinana-bolam-panjakana tao amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena,” hoy izy tamin’izany. Mbola namafisiny ny volana mey 2026, fa vola an-tapitrisany dolara no natokana tamin’ny tetikasa dabilio, saingy tsy arakaraka izay ny asa fa nisy fanodinkodinana. Mazava ho azy, fa ny PAC izay raharaham-pitsarana momba ny kolikoly izany no miandraikitra ny dosie mahasaringotra an-dRtoa Sahondrarimalala Marie Michelle, raha toa zary lasa fialokalofana ara-politika ny dingana fanenjehana sarotra miainga etsy amin’ny Antenimierampirenena makany amin’ny HCJ (Haute Cour de Justice) ho an’ireo olona ambony.
Toky R

 

Dans la même rubrique

20-août-2026

Taorian’ny tolona mamaivay

Card image cap
20-août-2026

Miverina miaina ny fitrandrahana Kraomita

Card image cap