airtel

Actualités

14-févr-2024

Ahiana hitsefotra ny tetikasa Sahofika

Mitady ho rava ny fifanarahana amin’ny NEHO…

Sample post image

Ato anatin’ny herinandro maromaro, tsy maintsy mifampiresaka amin’ny

14-févr-2024

mpitantana ny Consortium NEHO (Nouvelle Energie Hydroélectriques de Onive) i Andry Rajoelina, hoy ny gazety vahiny Africa Intelligence. Ny NEHO no hanatanteraka ny fananganana ny toby mpihary herinaratra ao Sahofika amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana amin’ny tsy miankina na ny 3P. Handray anjara amin’io ihany koa ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Olivier Jean-Baptiste, hoy hatrany io fampahalalam-baovao io. Ireo olona telo ireo dia tsy maintsy hiady hevitra momba ny hoavin’ny tetikasa hoe : hofoanana ve ny fifanarahana amin’ny fiantsorohan’ny NEHO ny tetikasa sa hotohizana ao anatin’ny endri-pamatsiam-bola misandrahaka ? Tafiditra anatin’ny tsy azo hanoharana amin’ny fifanarahana amin’ny fifanarahana mampifamatotra ny NEHO sy ny Fanjakana ity fiverenana an-databatra boribory ity, raha ny ambangovangon’io vaovao io. Hatreto mantsy dia mbola voalaza fa tsy tena misy zavatra mandeha ny fananganana an’i Sahofika izay hamokatra 205MW. Mbola tsy nahita mpanolo ny Vondron’orinasa Frantsay Eiffage izay nisintaka tao anatin’ny tetikasa Sahofika ny fiandahonan’ny taona 2023 rahateo i Andry Rajoelina sy Gérard Perceau mpanolontsaina azy manokana, raha ny nambaran’ity vaovaon’ny Africa Intelligence ity hatrany. Ny orinasa fransatsay Eranove sy Themis Clean Energy no voalaza fa isan’ny niaraka tao. Ny fandehanan’ny Eiffage anefa dia narahina fepetra tamin’ny tsy maintsy hanoneran’ny Fanjakana ny sandan’ny fikarohana sy fandalinana ny fananganana ny tohodrano, izay voalaza fa nahatratra « centaines de milliers d’euros », izany hoe an-jatony tapitrisa euros. Herintaona aty aoriana anefa, mbola miandry hatrany io vondron’orinasa tantanin’i Benoit de Ruffray io, hoy io vaovao io. Io toe-javatra izay voalaza fa lasa sakana hatramin’izao amin’ny fanatanterahana ny tetikasa, izay any amin’ny an-jatony kilaometatra miala an’Antananarivo. Tsara ny mampahatsiahy fa isan’ny noresahana tao anatin’ny tetikasa momba ny angovo nambara fa handeha ny tetikasa Sahofika tao anatin’ny fanolorana ny fanolarana ny PGE. Tany amin’ny 2016 no efa voaresaka ny tetikasa Sahofika izay niteti-bidy 797 tapitrisa euros tamin’izany, saingy niitatra hatrany, ary hatramin’izao mbola tsy tena miainga. Tany amin’ny volana may 2019 nandritra ny fitsidihana nataon’i Andry Rajoelina tany Paris no efa nanaovana serasera mafy ny fanasoniavana ny fifanarahana tamin’ny Eiffage amin’ny tetikasa Sahofika. Mbola nitohy teny Iavoloha ny novambra 2021,… Mby aiza izy izao ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap