airtel

Actualités

23-févr-2026

Alahadin'ny haino vaky jery

Tontosa omaly ny andiany fahatelo

Sample post image

Tontosa tetsy amin'ny Campus

23-févr-2026

ministry Ambatoroka omaly hariva ny andiany fahatelo tamin'ny hetsika iraisampirenena "Dimanche des médias". Hetsika fanao isan-taona hitondran'ny avy eo anivon'ny Dieu TV am-bavaka isan-taona ireo haino vaky jery izy io, hoy ny fanazavana, mba hiroborobo sy hanana ny toerany, indrindra, ho fantsona mahomby amin'ny fitoriana ny filazantsaran'i Jesoa Kristy. Isan'ny nandray anjara tamin'ny fotoam-pivavahana nitondrana am-bavaka ny haino vaky jery teny an-toerana omaly ity ny Fikambanan'ny mpanao gazety Kristianina malagasy na FMGKrima. Apetraka amin'ny Tompo, hoy hatrany ny fanazavana, mba hisy fiantraikany tokoa amin'ny mpamaky, mpijery, mpihaino ny fampitana ny vaovao mahafaly. Isan'ireo firenena miisa 12 nanomboka izao fandaharana izao tamin'ny edisionina voalohany i Madagasikara. Manana anjara anatin'ny fiangonana ny haino vaky jery. Kristianina 1 anatin'ny 7 manerantany, izany hoe, 380 tapitrisa any ho any amin'izao fotoana izao no hiharana fanenjehana. Isan'ny ahitana izany ny any Somalie, Korea avaratra, Kristianina amina firenena aziatika samihafa. Na ny voasoratra anaty Baiboly ho fahotana aza dia ezahina ho lazaina amin'ny haino vaky jery hita manerantany ho toy ny tsy fahotana intsony. Rehefa tsy ho ataontsika fantsona mitondra fiainana, noho izany, ny haino vaky jery dia ho fantsona mitondra fahafatesana ara-panahy sy eo amin'ny fiarahamonina mihitsy, hoy hatrany ny hafatra nampitaina nandritry ny alahadin'ny haino vaky jery na "Dimanche des médias" izao.
Nangonin'i J. Mirija

 

Dans la même rubrique

11-sept-2026

Hivaly ny 12 oktobra ny fangatahan-dRavatomanga

Card image cap
10-sept-2026

Miahiahy sy miampanga olom-boafidy TGV ireo voakasika

Card image cap
10-sept-2026

tokony hahintsy ny fifidianana!»

Card image cap
10-sept-2026

ny volan’ny orinasan-dRajoelina

Card image cap
10-sept-2026

Niseho tamin’ny alalan’ny « visioconférence »

Card image cap
10-sept-2026

Hovitaina mialohan'ny faran'ny taona

Card image cap