airtel

Actualités

21-août-2026

TANORA HO AVIN'NY AMPITSO

Mila ianarana ny fampiasana

Sample post image

ny fahefana...

21-août-2026

Tsy tokony horaisina ho tombontsoa manokana ny fahefana, fa andraikitra vonjimaika hanompoana ny vahoaka, raha ny fomba fijerin' Atoa Zaza Ramandimbiarison. Misy ny hafatra manokana nomeny ireo tanora ka hoy indrindra ny resany : ny fahefana dia andraikitra vonjimaika . Ho anareo tanora Malagasy rehetra izay manonofy na mikasa ny ho mpitondra na ho tompon’andraikitra amin’ny firenena indray andro any, misy zavatra iray tokony hotadidinareo mandrakariva:Tsy maharitra ny fahefana. Tsy anao mandrakizay ny toerana omena anao. Mety hahazo toerana ambony ianao androany. Mety ho minisitra, depiote, ben’ny tanàna, mpitantana, mpandraharaha, na tompon’andraikitra amin’ny sehatra iray.Saingy tadidio fa hifarana ihany ny fotoana nomena anao. Hifarana ny fe-potoam-piasana.Hiova ny mpitondra.Handray ny toeranao ny hafa.Ary indray andro any, tsy ho eo amin’io toerana io intsony ianao.

HAMELA LOVA INONA ?
Koa raha mbola eo am-pelatananao ny fahefana sy ny andraikitra, dia aza manontany tena fotsiny hoe: « Inona no azoko amin’ity toerana ity? » Fa anontanio indrindra ny tenanao hoe: « Inona no azoko avela ho an’ny vahoaka sy ny fireneko rehefa miala amin’ity toerana ity aho? », hoy i Zaza Ramandimbiarison.Hamela firenena milamina kokoa ve ianao? Hamela vahoaka hatoky kokoa ny mpitondra azy ve ianao ? Hampitombo ny fahamarinana sy ny rariny ve ianao?Hanana sekoly sy fana-beazana tsara kokoa ve ny zanatsika? Hahazo fiarovana sy fanampiana bebe kokoa ve ireo olona sahirana? Hatanjaka kokoa ve ireo andrim-panjakana ? Ary indrindra: Ho afaka hilaza ve ny taranaka aorianao hoe: « Nanao izay tsara indrindra ho an’ny firenena izy »? Izany no tena dikan’ny hoe mpitondra sy tompon’andraikitra hoy hatrany izy. Ny fahefana dia tsy fananana manokana. Ny toerana dia tsy lova.Ny volam-panjakana tsy volanao.Ary ny vahoaka tsy natao hanompo anao.Ianao no nomena andraikitra hanompo ny vahoaka. Rehefa omena fahefana ianao, dia toy ny hoe omena anao vonjimaika ny lakilen’ny firenena. Tsy midika izany fa anao ilay trano. Midika fotsiny izany fa nasaina nikarakara sy niaro azy ianao. Ianareo tanora no ho mpitondra ny firenena rahatrizay hoy i Zaza Ramandimbiarison koa dieny izao, mianara mitondra tena amim-pahitsiana. Mianara manaja ny vahoaka. Mianara mandray andraikitra. Mianara mitantana amim-pahendrena.
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique

20-août-2026

Taorian’ny tolona mamaivay

Card image cap
20-août-2026

Miverina miaina ny fitrandrahana Kraomita

Card image cap