Mpitrandraka volamena roalahy no maty tsy tra- drano , 2 hafa naratra mafy afak' omaly Sabotsy 22 Aogositra folakandro vokatry ny fihotsahan'ny tany tamin'ny tamboho manamorona ny kariera ao Tsimbilovolo, Fokontany Mandrosoarivo, kaominina ambanivohitr'i Fierenana Distrikan'i Tsiroanomandidy. Efa tototry ny tany nandritra ny fotoana vitsy nisy nahita izy ireo. Teo an-danin'izay anefa mbola nanano sarotra koa ny fisokirana azy efa-dahy, antony nahafaty ny roa hoy ny vaovao azo. Nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana moa ireo naratra ka efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Tsy misy atahorana ny fahasalaman'izy ireo hoy ny mpitsabo. Efa nalain'ny tompon'andraikitra ary natolotra ny fianakaviany kosa ny vatana mangatsiakan'ireo roa namoy ny ainy ary alevina androany.
Nangonin'i Pati
Légende : Namoy ny ainy tahaka izao ireo mpitrandraka !