airtel

Actualités

30-août-2022

Actualités

Alatsinainy nihosin-drà tao Ikongo 23 no maty, manodidina ny 40 ireo naratra

Sample post image

Alatsinainy nihosin-drà, io no azo hamaritana ny zava-niseho tany Ikongo Faritra Fitovinany omaly alatsinainy 29 aogositra 2022 maraina. 23 no maty, manodidina ny 40 ireo naratra vokatry ny sakoroka nateraky ny fikasana hanao fitsaram-bahoaka.

30-août-2022

Io no tatitra hatramin’ny omaly tamin’ny 9 ora alina. Raha ny fizotry ny tantara, nisehoana famonoana renim-pianakaviana nataon’ny jiolahy tao an-toerana, ary mbola narahina fakana an-keriny ny zanany, izay zaza varira herinandro mahery kely izay, niseho tao Sahanimanga, 19 km miala an’Ikongo. Lehilahy 4 no no nosamborin’ny zandary satria voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ilay asa ratsy. Notazonina tao amin’ny tobin’ny zandary tao Ikongo ireo, ka vantany vao naheno izany ny vahoaka avy tao amin’ny nisehoan’ny famonoana olona, dia nirohotra teny an-toerana nitaky ny hanolorana azy ireo hatao fitsaram-bahoaka. Niezaka nifampiresaka sy nampitony ireo vahoaka ny zandary, saingy tsy nahasakana. Nambaran’ny zandary fa efa nametraka faritra mena tsy azo hidirana, nomarihina fa nitondra antsy lava, sy kibay ireto andian’olona nanafika ireto. “Nisy ny fifampiresahana, ny fandefasana baomba mandatsadranomaso, ny tifi-danitra saingy tsy nahasakana ireto olona ireto izany. Voatery nampiasa ny fitaovana ny zandary niarovan-tena sy niarovana ny toby”, hoy ny kaomadin’ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Andry Rakotondrazaka. Efa naneho ihany koa ny komandan’ny zandary any an-toerana, fa fiarovana ny ain’izy ireo sy ny fianankaviana ary ny fananany no tsy maintsy nampiasana fitaovam-piadiana satria tena tsy nitsitsy ireo andian’olona. Vokany, io nihampatrapatra io ny faty vokatry ny tifitra. Sahirana ny dokotera, nisy ny fangatahana handefasana fiaramanidina, saingy tsy tanteraka hatry ny omaly hariva, fa mpitandro ny filaminana na “bataillon militaire” fa no voalaza fa halefa any. Mila fandidiana maika ny ankamaroan’ireo naratra satria tafiditry ny bala ny faritry ny tratrany. Zandary iray kosa naratra maivana vokatry ny toraka antsy satria nifamaliana ny tifitra sy ny tora-bato, toraka antsy, lefona,... Raha ny tatitry azon’ny depioten’Ikongo Brunelle Razafitsiandraofa tamin’ny haino aman-jery izay nanamarihany fa mbola any Ambatondrazaka izy,dia voalaza fa mbola tsy tafiditra ny toby, mbola teny am-bavahady dia efa nandeha ny fitifirana. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.

TSY VAO SAMBANY
Tsy vao sambany ny toy izao tao Ikongo, ny desambra 2017, notafihin’ny vahoaka ny fonja noho ny fitakiana hamoahana olona miisa 10 voarohirohy tamin’ny vono olona. Na nanohitra aza ireo mpiandry fonja, dia tsy nahatohitra ireo olona, ka gadra 120 no tafavoaka tamin’izany. Mba hampandriana ny tany, nandefa andian-tafika tany an-toerana ny Fitondram-panjakana, saingy tra-doza teny an-dàlana ny fiara vokatry ny fiakaran’ny rano teo amin’ny fiampitana ka lasibatra ny fiara, mpitandro filaminana 9 no maty nentin’ny rano tamin’izany. 5 taona latsaka kely aty aoriana, niverina indray ny sary. Voararan’ny lalàna ny fitsaram-bahoaka na inona na inona antony. Toerana saropady ary voasokajy faritra mena ny tobin’ny mpitandro filaminana. Matoa kosa tonga amin’izany ny vahoaka dia misy antony tokony hojerena ao. Isan’ny antony irany ny hoe: leo sy tofoka amin’ny tsy fandriampahaleemana ny olona, tsy mahatoky intsony ny fahefam-panjakana toy ny tontolon’ny fitsarana.

Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap