airtel

Actualités

23-févr-2026

Ambalahasina Brickaville

Niravona tanteraka ny disadisa

Sample post image

Niezaka nandamina ireo olona toteny

23-févr-2026

toy ny Tangalamena sy ny Vavanjaka any amin’ny Betsimisaraka. Vokany : niravona tanteraka tsy nilàna fiakarana birao hatrany amin’ny Fitsarana ny raharaha. Tany manan-tompo ara-panjakana any Ambalahasina no nataon’olona an-keriny. Notrandrahana amboletra sady tsy nisy fahazoan-dalana ny ala acacia naniry teo amin’ny tany manana titra ara-dalàna. Mazàna no miafara amin’ny rà mandriaka sy ny doro trano ny tranga toy izany any amin’ny toeran-kafa. Niravona tanteraka anefa ny raharaha noho ny faneken’ny tompon-tany, Rasoa Victor, ny fifandaminana nataon’ireo olo-maventy tao an-tanàna. Ny faha-8 febroary teo no nitrangan’izany tany Ambalahasina, Fokontany iray any Ambinaninony Brickaville, manamorona ny Lakandranon’i Pangalana. Mirongatra izaitsizy ny fitrandrahan’ala amin’ny endriny rehetra any an-toerana. Ahiana vao mainka hahazo vahana izany noho ny takaitra navelan’ny rivodoza Gezani tany Atsinanana teo iny.
Nangonin'i Jean D.
Hipetraka ho hitan'ny taranaka izao fifandaminana izao
 

Dans la même rubrique

11-sept-2026

Hivaly ny 12 oktobra ny fangatahan-dRavatomanga

Card image cap
10-sept-2026

Miahiahy sy miampanga olom-boafidy TGV ireo voakasika

Card image cap
10-sept-2026

tokony hahintsy ny fifidianana!»

Card image cap
10-sept-2026

ny volan’ny orinasan-dRajoelina

Card image cap
10-sept-2026

Niseho tamin’ny alalan’ny « visioconférence »

Card image cap
10-sept-2026

Hovitaina mialohan'ny faran'ny taona

Card image cap