airtel

Actualités

13-mars-2024

AMBATONDRAZAKA

Vehivavy vao tera-bao naolam-badiny matetika

Sample post image

Miharatsy hatrany ny tranga miseho momba ny fanolanana eto amintsika.

13-mars-2024

Tsy mijanona amin’ireo ankizivavy kely sy vehivavy lehibe eny ivelany intsony izany fa tonga hatramin’ny fanerena ny vady andefimandry ao an-trano mihitsy na dia vao tera-bao aza. Lehilahy iray 40 taona no fantatra fa nanolana matetika no sady nanakenda ny vadiny vao 16 taona monja tany Ambatondrazaka tany. Nanjary nisy fivontosana mihitsy teo amin'ny taovam-pananahan’ilay vadiny vokatr’izany ary fantatra fa lasa mandeha ra tsy mijanona Ramatoakely. Taorian’ny fizahana ara-pahasalamana sy ny fitarainana natao no nahitana ireo rehetra ireo. Voatery nosamborina moa ilay nahavanon-doza rehefa nifanenjehan'ny zandary. Taorian'ny fanadihadiana natao moa dia niaiky ny heloka vitany ilay lehilahy ary nalefa any amin'ny Fampanoavana Ambatondrazaka avy hatrany. Tsiahivina moa fa na vady andefimandry ao an-trano aza dia manan-jo handa tsy hanao firaisana rehefa hanaovana tery vay manta. Efa tafiditra ao anatin’ny herisetra ara-nofo mantsy izany. Lohalaharana amin’izany ny tsy fahafahany miray amin’ny vadiny telo volana aorian’ny hahaterahany.
Pati
Legende : Ity ilay lehilahy mahavita manolana ny vadiny vao tera-bao !
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap