airtel

Actualités

12-févr-2024

AMBATRY MITSINJO BETIOKY ATSIMO

Nisy biby mitovy amin’ny alina nanaikitr’olona

Sample post image

Nitrangana toe-javatra hafahafa ihany koa tany amin’ny kaominina

12-févr-2024

ambanivohitra Ambatry Mitsinjo, distrikan’i Betioky Atsimo ny faran’ny herinandro teo. Renim-pianakaviana iray no fantatra no nohanina biby mitovy amin’ny alina teny an-dalana tampoka ka naratrabe vokatr’izany ny tongony havia. Raha araka ny fanazavan’izy mivady izay niara-nahita io biby io dia mitovy amin’ny alika ilay izy saingy misy volony toy ny soavaly kosa. Tsy misangy io biby io hoy hatrany izy ireo fa avy hatrany dia mandrapaka izay mifanena aminy. Efa nalefan’ny Ben’ny tanana ao an-toerana hitsabo tena eny anivon’ny hopitaly moa ity Renim-pianakaviana ity hisorohana ny mety ho fihitaran’ilay fery ary izy avokoa no handoa ny vola mety ho lany. Efa eo am-pitadiavana hevitra mikasika ilay biby kosa ny fokonolona mba hahafahana mamantatra azy io marina sao sanatria hamoizana aina amin’ny ora tsy hampoizina. Tsiahivina moa fa nahazo vahana ity resaka biby tsy fantatra anarana ity tato ho ato indrindra fa any amin’ny faritra. Raha biby fiompy hatrany no tena nohaniny hatramin’izay dia fantatra izao fa mihinana olona ihany koa izy ireny toy ity tranga tany Betioky Atsimo ity.
Pati
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap