Efa miditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra isika ankehitriny. Mirotsaka matetika ny ranon’orana, antony mahatonga ireo rano miandrona etsy sy eroa mameno ny arabe. Mihetsika mandray andraikitra amin’ny alalan’ny asa fanadiovana faobe entina hisorohana izany ny kaominina Ambohidrapeto, distrikan’Atsimondrano. Anjaran'ny Fokontany Ambohidrapeto ny faran’ny herinandro teo niarahana tamin’ny kaominina sy ny Fikambanana Manandratra. Hita nandritra izany fa tsentsina avokoa ireo lakandrano tao amin’ity Fokontany iray ity noho ny fako tsy voafehy... Voasakana tanteraka ny fikorinan’ny rano vokatr’izany ka mety hanimba ireo lalana vao namboarina. Tapitra mivoaka ety ivelany avokoa mantsy ny rano maloto. Na izany aza dia vita soa amantsara ihany ny asa saingy narahina fanentanana ny mponina izany mba tsy hanary na hanipitsipy fako fahatany eny rehetra eny intsony. Antony mahatonga ny tatatra ho tsentsina mantsy izany, fihetsika kely tsy voatandrina nefa tena mety hampidi-doza ny hafa.
Pati
Legende : Nafotaka tahaka izao ny asa fanadiovana !