nihotsahan'ny tany tetsy Amoronakona By pass Ambohimangakely, lalam-pirenena faharoa omaly Talata 12 Martsa tokony ho tamin’ny 11 ora sy 35 minitra . Nahazo antso mikasika ity loza ity avy hatrany ny kaomandin'ny tobim-paritry ny Zandarimaria Ambohimangakely ka avy hatrany dia nidina ifotony nijery ny zava-misy. Fantatra tamin’izany fa nikarama nanamboatra "mur de soutènement" mirefy 15 m ny haavony sy 8 m ny sakany izy ireo. Nihotsaka tampoka anefa ilay tany nandritra izany ka tototra ny telolahy raha avotra soa aman-tsara kosa ny 5 ambiny. Natao réquisition avy hatrany ny fiaraben'ny orinasa lehibe iray nisokirana ireo telolahy tototra. Tafavoaka tao anaty ranontany ny lehilahy iray mbola velona tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro latsaka saingy rehefa nentina namonjy ny hopitaly CHRD Ambohimangakely dia tsy tana intsony ny ainy. Tokony ho tamin’ny 03 ora sy sasany kosa vao hita ny 2 sisa izay efa tsy nisy aina intsony.Taorian'ny fahitana ireo razana moa dia nakatona avy hatrany ny toerana misy ny "chantier" nihotsaka. Tsiahivina fa 40 taona no zokiny indrindra amin’izy telolahy namoy ny ainy. Mipetraka ao Ikianja ny iray. Ao Alatsinainy kosa no monina ilay faharoa raha mipetraka any Ambatolampy Antsirabe ilay fahatelo farany izay nampiraisin'ny fitadiavana.
Pati
Legende : Ity ilay toerana nitrangan’ny loza
Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.
Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :
Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra
Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona
Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana
Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira