airtel

Actualités

15-avril-2024

AMPEFILOHA

Trano 5 eo misy mikasa handrodana

Sample post image

Trano manodidina ny 5 isa, ahitana fianakaviana 20 samihafa no fantatra fa misy

15-avril-2024

mikasa handrodana etsy amin’ny Fokontany Ampefiloha ambadiky ny CNAPS nanomboka ny Sabotsy teo. Raha araka ny fitarainan’ireo fianakaviana voakasika dia nisy vaditany tonga nanatitra taratasy tao amin’izy ireo tamin’io andron’ny Sabotsy io nilaza fa resy teny amin’ny tribonaly izy ireo rehefa niakatra matetika tetsy Anosy ny raharaha. Efa tamin’ny taona 2003 tokoa mantsy no nandeha tribonaly ity raharaha ady tany etsy Ampefiloha ity. Raha tsiahivina kely dia misy mitonona ho tompon’ilay tany misy ireo trano dimy ireo ankehitriny izay mirefy 2 ara ary milaza ho manana taratasy ara-dalana. Olona tsy lavitra ity tanana ity ihany ireo voalaza fa mitonona ho tompony ankehitriny ireo. Ireo fianakaviana tompon’ireo trano miisa 5 ireo anefa efa nanajary io toerana io nandritra ny 50 taona ary efa nangataka izany tamin’ny fanjakana. Ankehitriny mivadika ambony ambany ny tantara. Hatramin’ny omaly Alahady 14 Aprily hariva fotoana nanoratanay dia mbola feno mpitandro ny filaminana tao an-toerana hoy ny vaovao. 48 ora mantsy no nomena ireto fianakaviana ireto mba hialany amin’ny tranony hahafahan’ilay milaza ho tena tompon’ny tany mandrodana izany. Nanambara moa ireo fianakaviana voakasika ireo fa tsy ara-dalana ny taratasin’ireo milaza ho tompon’ny tany ankehitriny rehefa nojeren’ny mpahay lalana. Manao antso avo amin’ny Fitondram-panjakana araka izany izy ireo mba hijery akaiky ity tranga misy etsy Ampefiloha ity.
Pati
Legende : Ireo tanana misy mikasa handrodana ! Nilanja sora-baventy tahaka izao ny mponina !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap