airtel

Actualités

27-oct-2026

ANDRANOTORAHA

ANALAVORY

Sample post image

Tovolahy iray maty natelin’ny rano

27-oct-2026

Tovolahy iray vao 21 taona monja no fantatra fa maty natelin'ny rano tao amin'ny lakan’ Andranotoraha, kaominina Analavory ny faran’ny herinandro teo. Voalazan'ireo mponina fa vahiny avy any Antananarivo izy ireo no nananika ilay tendrombohitra hizaha ny zava-misy ary tsy nahatohitra izany ka nilomano tao amin'ilay rano izay tena lalina tokoa. Tsy tao amin'ny toerana tokony nilomanosana anefa izy no niroboka ka nilentika avy hatrany. Niroso tamin'ny fikarohana ireo mponina rehefa nahare ny zava-nisy niaraka tamin'ny zandary nanomboka afak’omaly Alahady 25 Oktobra tamin’ny 11 ora atoandro. Naharitra ora maromaro ny fikarohana ka tsy hita raha tsy tany amin'ny 10 metatra ambanin'ny rano. Tokony ho tamin'ny 05 ora sy 30 minitra hariva tany ho any izany. Efa natolotra ny fianakaviana ny razana. Loharanom-baovao moa no nahafantarana fa nalevina omaly Alatsinainy ihany ilay tovolahy.
Nangonin’i Pati
Legende : Tsy dia tia vahiny loatra ny laka tahaka itony indraindray ka ilana fitandremana !
 

Dans la même rubrique

27-oct-2026

Maherin'ny 1000 miliara Ar

Card image cap
27-oct-2026

PRRM fa isika mba ahoana?»

Card image cap
27-oct-2026

Tsy tsindry amin’ny facebook no

Card image cap
27-oct-2026

Nambaran’ny Minisitera fa tsy ankatoaviny

Card image cap
27-oct-2026

notolorana mari-pahaizana sy lasi-piofanana

Card image cap
27-oct-2026

Mankarary no sady manakana ny orana tsy hilatsaka

Card image cap