airtel

Actualités

05-déc-2024

ANDRAVOAHANGY

Nanala ny rano be ny ekipan’i Tahina Razafinjoelina

Sample post image

Fantatra tsara ny fahorian’ny mponin’Andravoahangy syny manodidina noho ny rano be isaky ny avy ora.

05-déc-2024

Tsy misy ny fahagagana indray mipi-maso, misy kosa anefa ny asa azo atao ho fanalana fahasahiranana . Izany indrindra no nataon’ny ekipan’i Tahina Razafinjoelina. Nahita ilay zava-misy, nitondra fitaovana toa ny Moto-pompe ka natomboka ny faran’ny herinandro ity ny fitrohana ny rano. Tazana omaly talata fa efa ritra ny rano. Tsy be resaka fa tonga dia asa. ASA ho an’ny tombotsoa iombonana. Santatra am-bavarano ihany iny natao iny, tahaka ny efa natao tamin’ny fanombohana ny Asa maharitra ho an’Antananarivo teny Andranomanalina, fa mbola betsaka ny azo atao . Any am-pelatanan’ny vahoaka mpifidy eto Iarivo ny fanapahan-kevitra, hisafidy ny vahaolana maimaika hitaingin-tsarety dia manao « selfie » foana ve sa hiroso amin’ny vahaolana mahomby sy maharitra amin’ny fanesorana ny rano.
Nangonin’i RTT

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap