vohana mikasika ny fahaizana asa sy ny fandraisana mpiasa anaty minisitera na ny toy izany, hoy ny administratera sivily, Andrianasolo Clovis. Mpiasan’ny tetibola ny tena, hoy izy, taloha. Nisy ny fifandraisana tamin’ny sampana momba ny tahiry. Tale misahana ny famatsiana fisotroan-dronono tamin’ny andron’ny fitondràna Ravalomanana. Mila hazavaina ankehitriny ny atao hoe fampidirana ho mpiasam-panjakàna na «recrutement» sy ny fandraisana mpiasa na «intégration», ohatra hoe «intégration dans le corps des administrateurs civils» na fampidirana anaty fianakaviamben’ny administratera sivily. Ny «recrutement» dia mila toerana handraisam-bola na «poste budgétaire». Toy izany koa ny «intégration». Raha fifaninanana ho an’ny administratera sivily izao, raha anaty fianakaviamben’izany ianao, dia tsy maintsy misy toerana na «poste» andraisanao administratera sivily. Eo no hafangaron’ny olona ny atao «intégration dans le corps». Misy fifaninanana nampanaovin’ny MID na ny minisiteran’ny atitany sy fitsinjaràm-pahefàna izao io. Misy mpahay lalàna momba ny tetibola na «magistrat financier» milaza hoe minisitera mpitady mpiasa na «ministère recruteur» ny MID. Tsy izany fotsiny nefa ny MID ka hoe tsy maintsy ho mpiasan’ny MID daholo ny administratera sivily. Misy ny atao hoe fifaninanana ho an’ny olona efa miasa na «concours professionnels». Natao ho ana minisitera samihafa io fa tsy voatery MID. Rehefa tafiditra na «intégré» ilay olona ho amina «poste budgétaire» dia «poste budgétaire» natokana ho azy ihany no tokony ampidirana azy. Tsy voatery hiasa any amin’ny MID izy. «corps interministérielle» na hoe mahazo miasa amin’ny minisitera rehetra ny administratera sivily. Izaho izao tamin’ny fotoan’andro mpiasan’ny minisiteran’ny tetibola. Nianatra «finance public» na tetibolam-panjakàna tany amin’ny IAP, Frantsa, tsinona ny tena. Tsy voatery «administration civile territorial» na eto an-toerana fotsiny izany no ianaranao ka hoe atao prefe sy lehiben’ny faritra ihany. Misy «magistrat financier» manoro vohana olona sasany ao hoe ianao administratera sivily ho «intégré» any amin’ny MID nefa ilay olona mpiasan’ny minisiteran’ny vola. Samihafa ny atao hoe «recrutement dans un poste budgétaire» sy ny «intégration dans un corps». Mila mahalala izany ny manam-pahefàna mba tsy ho fahanan’ny olona lalitra fotsiny ka hoe tokony ho mpiasan’ny MID daholo ny administratera sivily rehetra. Tena mampikatso fampandehan-draharaham-panjakàna io fametrahana olona tsy tokony ho amin’ny toerany io! Ny tena olana dia ny fahatahoran’ny mpitondra mifandimby an’io antsoina hoe «esprit de corps» na fiombonan’ny mpiray sehatra io. Io ilay hoe kiantranoantrano na «corporatisme». Rehefa tsy mpiasan’ny ladoany no tendrena ho tale ao dia migrevy. Rehefa tsy mpiasan’ny tetibola no tendrena hitantana ny mpiasa ao dia migrevy. Maninona izany misy mpanara-maso tahirim-bola lasa minisitry ny tetibola? Rehefa minisitry ny tetibola dia mibaiko administratera sivily. Ahoana no mampety izany nefa rehefa ao aminao tsy azon’ny administratera sivily baikoana ny mpanara-maso hetra? Tena tsy mampandeha asam-panjakàna io kiantranoantrano io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija