airtel

Actualités

21-janv-2026

Andro ratsy miforona

Mety hivadika rivodoza

Sample post image

Omaly tamin’ny 3 ora tolakandro

21-janv-2026

teo dia tany amin’ny 495Km, andrefan’Itampolo/Ampanihy, no nisy ny foiben’ilay andro ratsy miforona ao amin’ny lakandranon’i Mozambika, hoy ny fampitàm-baovao voaray avy eo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro omaly. «Dépression Tropicale» na andro ratsy hatrany ny sokajy misy azy, hoy ny fanazavàna. 55 Km/ora ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra 75 Km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niatsinanana izy ka nahafaka 25 Km/ora. Tombanana hitombo hery ity andro ratsy ity ka ho lasa rivodoza iny alina iny. Manohy ny diany haingana hiantsinana izy ato anatin’ny 30 ora manaraka ka hipaka amin’ny morontsiraky ny faritra Atsimo Andrefana, eo anelanelan’i Anakao sy Androka/Ampanihy anio maraina, eo anelanelan’ny amin’ny 6 ora maraina sy 12 ora atoandro. Manoloana izany dia entanina ny mponina amin’ireto distrika manaraka ireto mba hampihatra avy hatrany ny fepetra mikasika ny filazàna loza manambana miloko mavo dia i Toliara I-II, Betioky Atsimo, Ampanihy, Beloha ary Tsihombe. Ahiana ny fahabetsahan’ny rotsak’orana amin’ny distrika manamorona ny morontsiraka ka mety hiteraka ranotrambo sy/na fiakaran’ny renirano. Entanina ny mpampiasa ranomasina manomboka eo Morombe sy Taolagnaro mba tsy hiandriaka intsony satria hiharatsy ny toetry ny andro. Araho mandrakariva ny toro-marika omen’ny manam-pahefana isan-tokony, raha ny fampitàm-baovao farany voaray omaly hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

ady amin'ny kolikoly ny mpiasa

Card image cap
06-mars-2026

Miverina amin’ny laoniny ny tolona,

Card image cap
06-mars-2026

Niverina ofisialy ny fitrandrahana,

Card image cap
06-mars-2026

natokana ho an’ny sosialy na RSE

Card image cap
06-mars-2026

8 taona sisa navelan’ny voay

Card image cap
06-mars-2026

Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona

Card image cap