ny alin’ny Sabotsy 18 Novambra teo. Mbola niaraka tamin’ny lamba fotsy nanaovany ilay tsy manan-tsiny nandritra izany raha olona sendra nandalo handeha hamonjy fodiana kosa no nahita azy. Avy hatrany dia nandray ny andraikiny moa ireo tompon’andraikitra teny an-toerana nijery sy nikarakara ny razana. Raha araka ny tombana dia mety efa narary ity zaza ity no nisy nanary. Misy karazana gripa sy tazo mahery vaika mahazo ny olona rahateo izao eny anivon’ny fiaraha-monina ka tsy tana ny ain’ilay tsy manan-tsiny. Misy indray ireo mieritreritra fa mety efa namoy ny ainy teo an-tanan-dReniny izy no nariana vokatry ny fahasahiranana sy ny antony maro samihafa. Tsiahivina moa fa mihamitombo isa ireo Reny mamono sy manary zanaka nateraka tato ho ato. Misy ireo mahavita mandatsak’aina ny menaky ny ainy mihitsy toy ilay tranga farany teo teny Imerintsiatosika. Fahavoazana ara-tsaina arahin’ny fahasahiranana amin’ny ankapobeny no antony manosika ireny karazana Renim-pianakaviana ireny hanao toy izany hoy ny psikology iray.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay zaza tsy manan-tsiny !
An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.
Nifamahofaho ny vaovao Toliara ny faran’ny herinandro tao Toliara, teo anatrehan’ny fanasan’ny Fanjakana
Mandeha ny resaka amin’ny hampidirana ireo manana trosa amin’ny Jirama mba
Manoloana ny zava-mitranga tatoato, resaka zaza very, maty sy ny tariny izay
Manoloana ny zava-mitranga tatoato, resaka zaza very, maty sy ny tariny
Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny