Nampidirina amin’ny asa ofisialy ny toby famokarana herinaratra azo avy amin’ny rivotra voalohany eto Madagasikara, izay miorina ao amin’ny faritra Anôsy. Ity fotodrafitrasa vaovao ity dia manamarika fiandohana vaovao eo amin’ny tantaran’ny angovo madio eto amin’ny firenena, ary manamafy ny vina “Fitrandrahana lovain-jafy” entin’ny QMM, araka ny fampitaom-baovao ofisialy avy amin’io orinasa mpitrandraka fasimainty io. Mihodina amin’izao fotoana izao ireo turbines 19 izay mamadika ny tsiokan’ny rivotra ho herinaratra, tetikasa izay fiaraha-miasa akaiky teo amin’ny QMM sy ny CrossBoundary Energy (CBE), ary nanomboka niasa tamin’ny volana Jolay 2026. Manampy sy mameno ny toby famokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro izay efa niasa hatramin’ny taona 2024 izy io. Noho izany, QMM no lasa toeram-pitrandrahana voalohany eto Madagasikara mampifandray ny famokarana avy amin’ny masoandro sy ny rivotra. Manana fahafaha-mamokatra 14 MW avy amin’ny masoandro, 16 MW avy amin’ny rivotra, ary rafitra fitahirizana herinaratra (BESS) mitahiry hatramin’ny 16 MWh ny famokarana. Rehefa ambony ny hery azo avy amin’ny masoandro sy ny rivotra dia afaka mamaly tanteraka ny filàn’i QMM izany, ary mamatsy ihany koa ny tanànan’i Faradofay amin’ny alalan’ny tambajotran’ny Jirama. Ankoatra ny fanohanana ny asa fitrandrahana, ity fotodrafitrasa ity dia manampy amin’ny fanamafisana ny fahazakan-tenan’ny faritra Anôsy eo amin’ny sehatry ny angovo. Navoitra fa fototra iray lehibe amin’ny fampandrosoana ara-toekarena: manohana ny sehatry ny famokarana, manamora ny fizahantany, manatsara ny tolotra ho an’ny daholobe ary mampiroborobo ny seha-pifandraisana ny fisian’ny herinaratra azo antoka sy maharitra.Ny fihodinan’ireo turbines ao Faradofay dia tsy vitan’ny hoe manome herinaratra madio, fa manokatra pejy vaovao ho an’ny sehatry ny angovo eto Madagasikara. Manaporofo fa azo tanterahina ny fampifangaroana loharanon’angovo madio, ary manamafy ny andraikitry ny QMM amin’ny fitrandrahana lovain-jafy, raha ny fanamarihany. Mazava ho azy, fa azo atao tsara ny mitrandraka loharanon’angovo avy amin’ny rivotra eto Madagasikara eo anatrehan’ny olana sy fahalafosan’ny famokarana angovo mahazatra izay saika mbola amin’ny alalan’ny gazoala izay tena mbola mandany volabe ny 60 hatramin’ny 70%. Raha manao kajy tsotsotra ohatra isika mikasika ny solika 67 000 000litatra nafaran’ny Fanjakana, ka kajiana ambany 4000Ar ny litatra dia efa mahatratra 268 000 000 000Ar na 52 000 000Euro eo, ary raha zaraina isam-bolana dia eo amin’ny 44 700 000 000Ar. Hahavitana zavatra lehibe izany raha haompana amin’ny tetikasamikasika ny angovo azo havaozina tahaka itony, izay ekena fa tsy vita indray mipoaka, ary tsy afaka hitsimbadika anatin’ny iray andro fa mila miova tsikelikely.
Toky R
Andrasana amin'ity herinandro ity ny fivoaran'ny