airtel

Actualités

10-août-2026

Angovo, fanafarana

solika mivantana Raikitra ny hamehana

Sample post image

manomboka ny ady stratejika…

10-août-2026

Mihazakazaka ny toe-draharaha mikasika ny raharaha ara-tsolika eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fanafarana solika mivantana ataon’ny Fanjakana. Higadona ao Toamasina ny 12 aogositra izao ny sambo miisa 2 ka ny iray mitondra ny lasantsy sy gazoala ary petirôla an’ireo mpamatsy mahazatra, raha ny iray kosa dia hitondra “gasoil spécial Jirama” 67 000 m³, araka ny serasera ofisialy. Tsy amin’ny alalan’ny lalan’ny fanafarana mahazatra ataon’ireo mpaninjara efatra lehibe no hidiran’ity entana ity, fa vokatry ny fahazoan-dàlana vaovao sy fanavaozana nomena ny Jirama, ary koa ny lalàna vaovao mifehy ny asa sasantsasany amin’ny sehatry ny solika. Ny fanavaozana ny “état d’urgence énergétique” tamin’ny filankevitry ny minisitra manokana ny zoma lasa teo no nanamafy izany. Ny tanker Sunda One no mitondra ny entana, ka araka ny filazan’ny minisitra Radonirina Lucas Rabearimanga dia hahavita hanarona ny filàn’ny Jirama mandritra ny volana maro io. Midika izany fa tsy voatery hividy amin’ny vidin’ny tsena amin’ireo mpaninjara mahazatra intsony ny orinasam-pajakana Jirama, fa afaka mividy mivantana amin’ny fifanarahana « BtoB ». Na izany aza, tsy mbola voamarina mazava raha ny Jirama mihitsy no nanao ny fanafarana na rafitra hafa nahazo alalana avy amin’ny fanjakana. . Efa nankatoavin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) moa ny fahafahan’ny Fanjakana manafatra solika mivantana amin’ny alalan’ny sampan-draharaha iray nahazo alalana, taorian’ny nanambarany fa mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ny lalàna vaovao mifehy ny sehatry ny "aval pétrolier". Ny SPM (State Procurement of Madagascar) no nokatsahan’ny Fanjakana hanafatra mivantana solika sy ireo etana ilaina andavanandro tamin’ny andron’ny fitodrana teo aloha, saingy tsy tena tafavoaka ny baolina, ka asa na orinasa hafa mihitsy na ny SPM no nanao ny fanafarana.
TAFIDITRA ANATIN’NY HAMEHANA ARA-ANGOVO…
Ny filankevitry ny minisitra manokana tamin’ny zoma dia nanapa-kevitra hanitatra indray ny “état d’urgence énergétique” mandritra ny 15 andro, ary nanome baiko ny Jirama hanatanteraka ny dingana rehetra ilaina amin’ny fifampiraharahana sy fividianana gazoala ho an’ny famatsiana ny tobiny mandritra ny enim-bolana manaraka. Voalaza ihany koa fa ity no fampiharana voalohany ny lalàna vaovao mifehy ny asa sasantsasany amin’ny sehatra ambany amin’ny solika, indrindra eo amin’ny fitehirizana. Na dia efa manana fahazoan-dàlana amin’ny fitehirizana aza ny Jirama, araka ny fanapahan-kevitry ny filankevitry ny minisitra, dia mbola tsy manana fotodrafitrasa manokana amin’izany izy. Nanao fanambaràna avy any Toamasina ny minisitra Radonirina Lucas Rabearimanga ny zoma teo, nilaza fa hisy fivoriana fandrindrana hatao ao amin’ny « terminal pétrolier » an’ny Galana Raffinerie miaraka amin’ireo tompon’andraikitra, hanomanana ny fandraisana ny entana ho an’ny Jirama sy ny entana hafa ho an’ireo mpaninjara efatra mahazatra. Ny gazoala ho an’ny Jirama dia natao hanamafisana ny famokarana herinaratra mandritra ny volana maro, indrindra amin’ny vanim-potoana maintany. Ao amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo Antananarivo, ny TAC ao Ambohimanambola no miasa amin’ny gazoala, ary any amin’ny faritra maro manerana an’i Madagasikara, ny Jirama dia miankina amin’ny milia mandeha amin’ny gazoala ihany koa, izay mila hamafisina ny politika hivadihana amin’ny angovo azo havaozina. Ny fahatongavan’ny gazoala dia heverina ho marika manan-danja amin’ny fanovàna ny rafitra famatsiana solika sy ny fialana tsimoramora amin’ny ampihimamba, ary ny paikady famokarana herinaratra eto Madagasikara. Asa hanao ahoana ny ho fihetsik’ireo orinasan-tsolika mahazatra eo anatrehan’io ? Tahaka izany ihany koa ireo sehatra iraisam-pirenena ? Miteraka lonilony ara-toekarena sy stratejika ? Misy rahateo ny fifandresen-dahatra ataon’ny Fanjakana amin’ny FMI hanatsaharana ilay fanovam-bidy mandeha ho azy na « mécanisme d’ajustement automatique de prix ». Ny FMI izay voalaza fa nampihemotra na nampiato ny famatsiam-bolan’ny FEC 189 tapitrisa dolara noho ny voalaza fa tsy fampiharana an’io ? Asa misy ifandraisany amin’izao ve ny karazana serasera sy tsaho naely ny herinandro lasa teo nilazana fa nahodinkodin’ny Fanjakana ny vola 440 tapitrisa dolara tokony hanampiana an’i Toamasina ka anton’io fampiatoana na fihemoran’ny fisitrahana ny FEC io ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

20-août-2026

Taorian’ny tolona mamaivay

Card image cap
20-août-2026

Miverina miaina ny fitrandrahana Kraomita

Card image cap