airtel

Actualités

26-août-2026

Angovo nokleary

Lalana iray hafa azon'i

Sample post image

Madagasikara hizorana

26-août-2026

Anisan'ireo lahadinika 7 voafaritra ao anatin'ny fivoriana tsy ara-potoanan'ny Antenimierampirenena nisokatra omaly 25 aogositra 2026 ny lalàna momba ny fampiasana azo antoka sy milamina ny teknolojia nokleary. Zava-dehibe na heverina fa somary tara ihany ho an'i Madagasikara saingy sokajiana ho stratejika hitondra tombotsoa sosialy sy toekarena. Stratejika eo anatrehan'ny olana ara-angovo sedrain'ny Firenena. Saika mampiasa angovo nokleary ny Firenena mandroso, eny fa na ny Firenena manana solika toy ny Emirats Arabes Unis izay isan'ny tompon'ny solika aza efa nanangana toby famokarana miisa 11 izay misy hamokarany herinaratra, ary misy hamokarany rano, hoy ny manam-pahaizana. Olana iraisana eran-tany rahateo ny fikorontanana matetika ateraky ny ady amin'ny Golf Persika izay mampiovaova ny vidin-tsolika. Ny Dr HDR Ranaivoson Tokiniaina Ravo Mpikamban'ny Ivon-toeram-pikarohana Nasionaly momba Siansa sy ny Teknika Nokleary INSTN, mpandinika ny tontolon'ny angovo nokleary, dia efa naneho tamina haino aman-jery vao andro vitsy fa io no isan'ny vahaolana ho an'ny angovo na Firenena mandroso na andalam-pandrosona, ary efa samy resy lahatra amin'izany ny manam-pahaizana eran-tany. Azo atao tsara eto amintsika, fa mila manaraka ny fenitra, ny fiarovana na "sûreté" sy "sécurité", antoka izay apetraky ny AIEA (Agence Internationale de l'Energie Atomique). Ny "Réacteur modulaire" izay heverina hapetraka eto ohatra, dia afaka mamokatra angovo hatrany amin'ny 300MW, izay mihoatra lavitra amin'ny fahabangana toy ny tambajotra iraisan'Antananarivo. Mety mbola lavitr'ezaka io, saingy raha manomboka tsikelikely, ny vidin’ny réacteur nucléaire modulaire kely (SMR) 10 MW dia tombanana eo anelanelan’ny  50–150 tapitrisa dolara ho an’ny “first-of-a-kind” (FOAK), ary mety hihena ho 30–80 tapitrisa dolara amin’ny “nth-of-a-kind” (NOAK) rehefa miverimberina ny famokarana sy mihena ny vidin’ny indostria. Izany dia mifanaraka amin’ny fanombanana nataon’ny IEA sy ny tatitra SMRIntel tamin’ny 2026. Mitaky fotoana sy fampiasam-bola ary rafitra matotra, saingy lalana azon'i Madagasikara hizorana tsara. Andrandraina hizotra antsakany sy andavany araka izany ny fandinihina ao amin'ny Antenimierampirenena ny fampiasana azo antoka, voaaro sy am-pilaminana ny teknolojia nokleary. Ny taona 1980 i Madagasikara no efa nampiasa ny teknolojia nokleary fa tany amin'ny tontolo ara-pitsaboana toy ny fitsaboana ny homamiadana, indostria, fikarohana,... ary irariana mba hiditra lalindalina kokoa amin'ny famokarana angovo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-août-2026

tsy nahavaha olana

Card image cap
26-août-2026

fahaverezam-panahintsika!»

Card image cap
26-août-2026

maso sy fisavana ny Minisitera

Card image cap
26-août-2026

120 tapitrisa dolara fa tsy 77

Card image cap
26-août-2026

Nifanekena ny hanatsarana ny tolotra « mobile money »

Card image cap
26-août-2026

Nisy fanolorana sakafo sy trano tao Agnarafaly

Card image cap