airtel

Actualités

21-août-2025

ANILOBE VANGAINDRANO

Miandry ny fitsarana azy ilay Ray nanolana ny zanany vavy

Sample post image

Toa tsy mampaninona ireo Ray niteraka sasany intsony amin'izao ny

21-août-2025

manimba sy misantatra ny fahadiovan-janany vavy. Lehilahy iray 34 taona no mahavita nanolana an-janany tany Anilobe, distrikan'i Vangaindrano, andro maromaro lasa izay. Ny fitarainan'io zaza io no nahafantarana ny tranga nanjo azy. Voamarina tamin’ny fizahana natao tokoa mantsy fa niharan’ny fanolanana izy ary tsy olon-kafa fa ny Rainy ihany no nanimba azy. Avy hatrany dia nosamborina moa ilay nahavanon-doza ary efa eo ambany fiambenan’ny zandary miandry ny fitsarana azy.Raha araka ny loharanom-baovao azo dia efa nisaraka ny io Raim-pianakaviana tsy mataho-tody io sy ny Renin'ilay zaza.
Pati
Légende : Ity ilay Ray nahavanon-doza tsy maintsy hanohy ny fiainany any am-ponja !


 

Dans la même rubrique

24-août-2026

Roa maty nihotsahan'ny tany, roa naratra mafy

Card image cap