5 ora sy sasany dia efa tonga nirodorodo teny Anosibe andrefana omaly ny mpitandro ny filaminana niaraka tamin’ny vaditany ary andian-jatovo marobe manafina endrika handrodana sy andrava ireo trano miisa 7 etsy Anosibe Andrefana. Ny zoma lasa teo no voalazan’ireo tompon’ny trano fa tonga tao amin’izy ireo ny taratasy filazana fa harodana ny tranony fa ilain’ny tompony ny tany. « Tsy nisy azo natao hanakanana satria ny faran’ny herinandro dia tsy misy birao nivoha. Tsy nisy ihany koa ny fiomanana azo natao fa dia niandry izay higadonany » hoy ny renim-pianakaviana iray rava trano. Ny tena nahagaga anay, hoy ireo rava trano, dia efa tamin’ny taona 1971 izahay no nonina sy nanorina teto amin’ity toerana ity. Hatramin’izay dia tsy nisy ny olana. Raha nisy ny tetikasam-panjakana izay nokasaina natao teto dia nilazana hatrany izahay ary nisy ny fakan-kevitra. Amin’izao anefa dia nisy nilaza fa tompony ny tany ary raha ny taratasy izay nentin’ny vadin-tany dia ny taona 2004 no nangatahan’io olona io tamin’ny fanjakana, izay olona tsy mponina eny Anosibe akory. Indraindray dia milaza ihany koa ity milaza ho tompon’ny tany fa novidiany tamin’ny SEIMAD. Nilaza anefa ireo mponina eny Anosibe fa raha iny faritra iny dia tsy misy tanim-panjakana malalaka izany intsony indrindra amoron’ny arabe fa efa nohajarian’ny olona am-polo taonany maro avoakoa. Ahiana ho misy kolikoly avo lenta ao ambadik’ity raharaha ity raha ny fitantaran’ireo tsy manan-kialofana satria efa elaela izy ireo no nahatsikaritra fa rehefa maka taratasy eo anivon’ny fokotany momba ny tany izay nanorenany dia arirariran’ny sefo fokotany teo aloha. Namifisiny ihany koa fa havan’io sefo fokotany io akaiky ity mitonona ho tompon’ny tany ity. Ahiana mihitsy aza, hoy ireo mponina, ny nidiran’ny fikambanana TMH izay tarihin’ny solombavambahaoaka voafidy ao amin’ny boriboritany faha efatra amin’izao raharaha izao, manamafy izany ny fahitana ireo be sandrin’ny TMH nanampy tamin’ny fandavana ireo trano ireo. Miantso ny fanjakana araka izany ireo rava trano mba hanaraka akaiky ity raharaha ity satria misy kolikoly avo lenta ao ambadika. Fomba fanao izay isan’ny notoherin’ny vahoaka ka nampirodana ny fitondrana teo aloha.
Solotiana