Nahatratra 200 isa izany ho an’ny polisy monisipaly raha miisa 100 kosa no hanampy ireo efa amperin’asa ho an’ny mpamonjy voina. Nahavita fiofanana nandritra ny herin-taona mahery izy ireo ary navoaka tamin'ny fomba ofisialy omaly Alarobia 24 aprily. Hiara-hisalahy amin'ny famerenana ny hasin'Antananarivo izy ireo 300 ireo raha araka ny fantatra . Hanampy amin'ny fandaminana, indrindra fa ny lalana sy ny tsena ireo polisy monisipaly ka anisan’ny asa mahavaivay voalohany hiandry azy ny fisian’ilay tsena vaovao kasain’ny kaominina hatao etsy Analakely. Any amin’ny fisorohana ny mety ho fihitaran'ny afo raha sendra fahamaizana kosa no ilana ireo mpamonjy voina raha ny nambaran'ny Filohan'ny delegasiona manokan'Antananarivo, Ramanambitana Richard. Horaisina ho mpiasa raikitra eo anivon'ny kaominina Antananarivo renivohitra avokoa moa izay misalotra ny anarana indray mihira « Tselatra ».
Pati
Legende : Nandritra ny lanonana famoahana ireo andiany omaly !
Goavana ny fanarenana miandry, raha ny toekarem-pirenena eto Madagasikara no asiana resaka.
Nipoitra indray ny Kolonely Charles Andrianasoavina izay isan’ny nanamarika ny tantara tamin’ny 2009
Nanomboka ny alatsinainy 13 ka nifarana ny alarobia 15 janoary 2025 tao amin’ny trano fivorian’ny Minisiteran’ny
Efa nahazatra ireo mpikirakira fifandraisan-davitra toy ny amin’ny alalan’ny finday hatramin’izay
Hita ho tena sahirana ny vahoaka malagasy, raha ny mikasika ny sosialim-bahoaka tamin’iny taona 2024 iny,
Niato sahady indray ny rotsak’orana izay neverina hifampitohy tao anatin’ny 3 andro,