airtel

Actualités

06-févr-2024

Antananarivo renivohitra

Ny fako mbola misavovona, ny lalana miha potika

Sample post image

Ny fako mbola misavovona, ny lalana miha potika. Izay hatreto no azo h

06-févr-2024

amintinana ny zava-misy eto Antananarivo renivohitra. Renivohitr’i Madagasikara! Hatramin’ny lalana eo ambonin'ny CHUJRB Befelatanana, miakatra makany amin’ny Fort Voyron avy no miha rotika. Raha nampikaikaika teo aloha teo ny mandalo an’iny Ankazomanga sy 67ha iny dia manomboka miha “bombo voanjo”, araka ny fomba fiteny mahazatra, koa ankehitriny iny miditra an’Ampandrana Bel’air iny. Ny fiara madinika dia mikasoka avokoa raha mandeha midina ankavanana eo amin’ny lalana miakatra an’i Fort Voyron, hoy ny nambaran’ny mpampiasa lalana iray. Mila mandeha amin'ny ilany nefa tsy fantatra mihitsy izay mifanena ao ambadika ao, hoy hatrany ny fitarainana. Asa hoe rahoviana indray vao ho avy amin’ireny toerana ireny ny tomponandraikitra? Rehefa tonga eny koa anefa dia fanontaniana mipetraka hatrany ny hoe hi-werawera fotsiny indray ve sa tena hamaha olana?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap