airtel

Actualités

19-oct-2022

Actualités

Antananarivo sy ny manodidina Vinavinaina tsy hisy intsony ny delestazy manomboka anio

Sample post image

Vinavinaina tsy hisy intsony ny delestazy na ny fahatapahan-jiro matetika manomboka anio alarobia 18 Oktobra eto Antananarivo sy ny manodidina.

19-oct-2022

Raha 90 Mw mantsy ny herinaratra novokarin’ireo milina mpamokatra herinaratra ao Andekalela teo taloha dia mety ho tafakatra hatrany amin’ny 120 Mw izany manomboka izao, indrindra taorian’ny nametrahana ilay G2. Efa vita afak’omaly folakandro ny dingana rehetra hampiodinana ilay milina G2, hoy ny vaovao. Toraka izany koa ny fametrahana ilay fitaovana mpamokatra herinaratra fahaefatra. Ho an’ny teny amin’iny Faritra Itaosy iny dia tsy tapaka mihitsy ny jiro omaly tontolo andro fa mba afaka niasa tamim-pilaminana avokoa ny rehetra. Na izany aza mbola nisy faritra vitsivitsy voakasika ihany teto an-drenivohitra. Ny hany mampitaraina ny isan-tokantrano sisa dia ny tokony hijeren’ny JIRAMA akaiky ny vidin-jiro izay tsy mitsaha-midangana raha tena marina fa tsy hisy intsony ny delestazy. Na dia efa novaina aza mantsy ny ankamaroan’ireo fitaovana hampiasaina ao an-tokantrano dia tsy miova mihitsy ny vidin-jiro. Lohalaharana amin’ireny ny takamoa izay efa ezahin’ny isan-tokantrano hatao amin’ilay mitsitsy. Efa hahena ihany koa ireo fitaovana mila herinaratra miasa ao an-tokantrano saingy mbola ny eo ihany no eo.
Pati
Legende : Mampanantena jiro tsy tapaka intsony ny JIRAMA manomboka izao
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap