airtel

Actualités

27-févr-2024

Antanifotsy Ilempona

Vaky ny karieram-bolamena, nirohotra ny vahoaka…

Sample post image

Nisy fahavakisana ny karieram-bolamena tao Antanifotsy Ilempona ao amin'ny fokontany

27-févr-2024

Andrefaniala ka toy izao ny vahoaka nirodorodo samy mba miady izay ho anjarany, hoy ny vaovao niparitaka hatry ny omaly. Tena vahoaka sesehena tokoa no nirohotra any an-toerana, izay marihina fa ao amin’ny Faritra Vakinankaratra no misy io toerana. Endrika maneho fa tena sahirana ny olona, ka halaim-panahy hoe : sao mba any no mahita fanavotana. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe : azo hitrandrahana ve eo amin’ilay toerana ? Tanim-panjakana sa tanin’olon-tsotra ? Ny harena an-kibon’ny tany dia sokajiana hatrany ho fananam-panjakana ka hiverina ve ny sary toy ny tany Bealanana nisy toeram-pitrandrahana vatosoa hitan’ny mpiandry omby ka nirohotra ny olona. Nisy olom-panjakana naheno ka tonga ihany koa. Nogadraina avy ny sasany tamin’ireo olon-tsotra ! Mila fantarina sy ianarana ary fehezina ny harena eto mba tena ho fanohitra hiadiana amin’ny fahantrana.
Toky R


 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap