Manentana sy miangavy ireo mpikambana rehetra ao amin’ny Birao Maharitra, ireo Solombavambahoaka, ary ireo mpiasan’ny Antenimierampirenena i Siteny Randrianasoloniaiko, filohan'ity Andrimpanjakana ity "mba hitafy akanjo maha-Malagasy isaky ny Alatsinainy (...) Ho fanomezana hasina ny maha-Malagasy antsika sy ho fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny maha-izy antsika". Ny fitafy, hoy izy, dia iray amin’ireo mariky ny maha-firenena antsika sy ny fireharehana amin’ny maha-Malagasy. Koa "Aoka isika hanome lanja sy hasina ny vakoka sy ny kolontsaina maha-Malagasy antsika. Omentsika hasina ny antsika. Hajaintsika ny maha-Malagasy antsika".
Jean D.