airtel

Actualités

12-févr-2024

ANTOKO MPIHIRA VOAPOIZINA ARA-TSAKAFO

160 naiditra hopitaly tao Ikalamavony, 15 tena atahorana

Sample post image

Nitera-doza ilay fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2024 notanterahin’ny

12-févr-2024

antoko mpihira eo anivon’ny Fiangonana Loterana Malagasy any amin’ny distrikan’Ikalamavony toy ny fanaony isan-taona afak’omaly Sabotsy 10 Febroary. Olona miisa 160 mantsy no tratra ny fahapoizinana ara-tsakafo nanomboka ny Sabotsy alina ka feno hipoka ny hopitaly mandrapaharainan’ny andro. Ny 15 isa tamin’ireo no fantatra fa tena ahiana mafy ny ainy ka voatery nafindra ao amin’ny CSB-II manaram-penitra. Raha araka ny vaovao azo hatrany dia misy zaza, olona bevohoka ary Ray aman-dReny izy ireo. Mety ho "menaka" efa lany daty hoy ny olona saingy nampiasaina hosoka no antony niteraka fahapoizinana ho azy ireo ka nahavoafitaka ny mpanjifa. Tsiahivina moa fa samy nitondra vary masaka ny tsirairay fa nisy kosa ny laoka nifampizarana sy ireo sakafokafo nomanin'ny antoko mpihira mba ho hiarahana izay ahiana ho nisy ilay menaka. Rehefa vita moa ilay sakafo dia nisy ambiny tsy lany ka nozaraina indray izany ary samy mbola nitondra ny rehetra. Nitovy avokoa moa ny fitrangan’ilay aretina. Nandoa tamin’ny voalohany, nitohy tamin’ny fivalalana izany ary fanina ny sasany taty aoriana. Na izany aza tsy mbola nisy ny aina nafoy. Nasaina nanatrika ity fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2024 ity ireo Ray aman-dReny sy olom-panjakana tao an-toerana.
Pati
Legende : Nitsipalay eran’ny hopitaly tahaka izao ireo narary rehetra !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap