Manoloana ny raharaham-pirenena, indrindra amin'izao ankatoky ny hiatrehana ny fikaonandoham-pirenena izao dia nitondra ny fomba fijeriny ny antoko UNDD tamin'ny alalan'ny Sekretera jeneraly sady filoha nasionaly mpisolo toerana, Manoro Régis. Nambarany fa "dingana iray mankadiry, manandanja sy andraindraina mafy ary saro-pady amin'ny vahoaka malagasy, taorian'ny tolona nisy teto amin'ny firenena ka nahatonga ny fijoroan'ny fitondrana ho amin'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara misy ankehitriny izao, ny fiatrehanana ny fikaonandoham-pirenena". "Antoka sy iankinan’ny hisian'ny tena fanavaozana ny rafitra hitantanana ny firenena ny fikaonandoham-pirenena", hoy i Manoro Régis, "mba hisian'ny fitsinjarana ara-drariny ny fahefana ara-politika, ara-panjakana, ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-kolotoraly eto amin'ny Nosy". Notohizany fa "ny fikaonandoham-pirenena no antoka sy iankinan'ny hisian'ny fampihavanam-pirenena marina sy tena izy sy hitandroana ary hanamafisana orina ny firaisam-pirenena ihany koa ; antoka sy iankinan'ny hahazoana tena mametraka sy manamafy orina ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna eto Madagasikara ; antoka sy iankinan’ny hanànana lalalampanorenana sy lalam-pifidianana ekenny maro an'isa eto aminny firenentsika ; antoka sy iankinan'ny hisian'ny fifidianana madio, mangarahara ary eken'ny rehetra ny valiny eto amin'ny Nosy ; antoka sy iankinan'ny mba hisian'ny filaminanana sy fitoniana maharitra, antoky ny fampandrosoana, eto amin'ny tany sy ny fanjakana Malagasy ; antoka sy iankinan'ny mba hialana indrindra indrindra, amin'ny krizy miverimberina izay manapotika ny firenentsika".
FITANTANANA TSY MITANILA
Matoky sy manohana tanteraka ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) amin'ny hitarihany sy hitantanany ny fikaonandoham-pirenena hitondra any amin'ny Repoblika faha-V eto Madagasikara ny antoko UNDD, hoy i Manoro Régis. Izany fitokisana sy fanohanana izany, hoy ity farany, dia "mifototra amin'ny efa nisian'ny fiaraha-miasa matototra teo amin'ity vondrona FFKM ity sy ny UNDD, tamin'ny alalan'ny Filoha mpanorina ny antoko Pr ZAFY Albert ary mifototra ihany koa amin'ny fahalalanay ny fananan'ny FFKM traikefa amin'ny fitarihana fikaonandoha goavana sahala amin'ity ary, indrindra indrindra, mifototra amin'ny finoanay sy fahalalanay fa ny FFKM no manana fomba fijery, fomba fitarihana ary fitantanana tsy mitanila indrindra amina raharaha goavana sy saro-pady sahala amin'ity fikaonandoham-pirenena ity".
Jean D.
Manoro Régis, Sekretera jeneraly sady filoha nasionaly mpisolo toerana ny antoko UNDD
Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy