airtel

Actualités

14-août-2026

ARINA FANDREHITRA

500 taonina isan'andro

Sample post image

no filan'Antananarivo

14-août-2026

Atahorana ho ripaka tsy ho ela ny ala eto amintsika manoloana ireo karazana filana maro samihafa ilain-dRaolombelona. Ho an'ny arina fandrehitra manokana dia mahatratra 500 taonina isan'andro ny fi-lan'Antananarivo, raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpandraharaha iray. 14 taonina eo ho eo no zakan'ny kamiao iray izany hoe : 35 kamiao eo ho eo amin'ny ankapobeny. Raha araka ny fanadihadiana natao dia ireo mpanao hotely no tena mila arina fandrehitra betsaka indrindra. Misy mahalany 4 kitapo isan'andro mantsy ny iray amin' izy ireny. Toraka izany koa ireo karazana trano fisakafoana na restaurant maro isan-tsokajiny, ireo mpivarotra kafe sy mofo....Ho an'ny isan-tokantrano indray dia iray gony sy tapany eo ho eo ny filana ao anatin'ny iray volana. 40.000 Ar ny vidin'ny iray kitapo amin'izao eny amin'ny mpivarotra. Tsiahivina moa fa ankoatra ny faritra atsimon'ny Nosy izany hoe : ny lalam-pirenena fahafito toy ny ao Fianarantsoa sy ny manodidina dia anisan'ny mamatsy arina fandrehitra betsaka an'Antananarivo ny any amin'ny lalam-pirenena faharoa toa an'i Moramanga. Mikapa ala no asa hataon'ireo mpamokatra arina fandrehitra ka am-polony isan'andro no alain'izy ireo. Hamaininy izany avy eo dia dorany, fotoana izay maharitra 1 volana eo ho eo ho an'ny fatana lehibe iray. 50 gony raha kely ny vokatra azony avy amin'izany ka 15.000 Ar no hivarotany ny iray gony.
Pati

Légende : Tena manjifa arina fandrehitra betsaka ny mponin'Antananarivo !
 

Dans la même rubrique

14-août-2026

intsony ny fikaonandoha eo!»

Card image cap
14-août-2026

miazo an'i Toamasina

Card image cap
14-août-2026

Voatendry ho Tale Jeneralin’ny CNaPS

Card image cap
14-août-2026

Efa hita ireo Ray aman-dReniny

Card image cap