airtel

Actualités

20-avril-2026

Asa sosialy

Nanadio lakan-drano teny

Sample post image

Andravoahangy ny Vovonana MAFI-M

20-avril-2026

Nanadio lakan-drano, tatatra sns.. teny amin'iny Faritra Andravoahangy iny ny Sabotsy 18 Aprily lasa teo ny Vovonana MAFI.M na ny Mijoro ho An'ny Fampandrosoana ifotony eto Madagasikara . Asa sosialy mipaka mivantana amin'ny fiainam-bahoaka no nisafidianan''izy ireo izay marihina fa efa fanaon'ny Vovonana isan-taona. Raha tsiahivina kely dia fijaliana hatrany tokoa no iainan'ireo mponina manodidina an'Andravoahangy isan-taona indrindra fa rehefa tonga ny fotoam.pahavaratra noho ny fahatsentsenan'ny lakan-drano eny an.toerana. Vokatry ny fahabetsahan'ny fako arian'ny olona ao anaty tatatra no mahatonga izany. Miakatra ny rano ka tonga hatrany an-tranon'olona mihitsy hany ka tsy vitsy ireo traboina tsy fidiny. Antony nisafidianan''ireo mpikambana maro eo anivon'ny MAFI-M nanadio teny Andravoahangy izany. Tafiditra indrindra ao anatin'ny Vina sy Tanjon'ny Vovonana moa ny fanatanterahana asa sosialy eny ifotony hanampiana ny mpiara-belona tahak'izao hoy ny Filohan'ny Vovonana Atoa BEHAVA Etienne . Mbola hitohy manerana ny boriborintany rehetra eto Antananarivo moa ity asa sosialy tanterahin'ny MAFI-M ity.
Pati
Légende : Nandritra ny asa fanadiovana natao
 

Dans la même rubrique

19-juin-2026

no tsy manao ezaka mianatra»

Card image cap
19-juin-2026

Haverina ny lanjan’ny fampianarana teknika », hoy ny Minisitra Todisoa

Card image cap
19-juin-2026

lehibe ny tananan'i Talatamaty

Card image cap
19-juin-2026

nalentiny tao anaty rano ny zanany

Card image cap
18-juin-2026

manoloana ny raharaha Iran sy Etazonia

Card image cap
18-juin-2026

Lehilahy iray mpanao saribao naiditra am-ponja vonjimaika

Card image cap