airtel

Actualités

08-mars-2024

AURELLA MAILHOL

« Tokony ho fitaratra hatrany ny vehivavy »

Sample post image

Tokony ho fitaratra hatrany ny vehivavy hoy Rtoa Aurella Mailhol,

08-mars-2024

vady andefimandrin’ny Pastera Mailhol, filoha mpanorina ny Fiangonana Apokalipsy maneran-tany. Manomboka amin’ny fihetsika ao an-tokantrano hampitaina amin’ny taranaka izany hoy izy ka hatramin’ny fitafy sy ny fitondran-tena mba hahafahana mampirindra ny fiaraha-monina. Tato ho ato tokoa mantsy dia nirongatra sy nahazo vahana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizy miampy fanolanana. Lohalaharana amin’ireny ny herisetra ara-tsaina, ara-nofo, ny herisetra ara-bola….arahin’ny kolikoly ara-nofo mahazo ireo vehivavy sasany eny anivon’ny orinasa. Izany indrindra no antony nanosika an-dRtoa Aurella Mailhol hanentana ny vehivavy rehetra mba ho maodely tsara eny anivon’ny fiaraha-monina, indrindra amin’izao fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy izay marihina anio Zoma 08 Martsa izao. Anisan’ny lalana iray hahafahana miady amin’izany mantsy ny fanabeazana tsara omena hoy izy izay tokony hiainga avy amin’ireo mpanabe sy ny vehivavy Malagasy isan-tokantrano. Mikasika ireo mpanolana manokana dia miantso ny mpitondra mpanatanteraka Rtoa Aurella Mailhol mba hampihatra ny sazy faran’izay henjana amin’izy ireny hahafahana manafoana izany tanteraka. Amin’izao 08 Martsa izao dia tsy adinon-dRtoa Aurella Mailhol ny mirary soa ny vadin’ny filoham-pirenena mba hahavita an-tsakany sy an-davany ny adidy mavesatra sahaniny. Toraka izany koa ny vehivavy Malagasy rehetra indrindra fa ireo mpino eo anivon’ny Fiangonana Apokalipsy manerantany. Ho azy ireo manokana dia hisy ny fotoam-bavaka lehibe hotanterahiny eny Iavoloha amin’ity andro anio ity hitondrana am-bavaka ireo vehivavy mpino sy ny tokantranony. Loha-hevitra hovohabohasana mandritra izany ny hoe : “Mahatoky izay voafidin’i Jehovah” !
Pati
Legende : Miantso ny vehivavy rehetra mba ho maodely hampirindra ny fiaraha-monina i Aurella Mailhol
 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Misy toe-javatra mampiahiahy ao anatin’ny Fanjakana, indrindra fa eo amin’ny lafiny fikirakirana sy fanamarinam-bola ?

Card image cap
07-févr-2025

Ireo fikambanana, ONG ary mpiara-miombon'antoka rehetra nisitraka famatsiam-bola

Card image cap
07-févr-2025

Mahatratra 60 isa isan’andro eo ho eo ny fangatahana fisaraham-panambadiana tonga

Card image cap
07-févr-2025

Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra no tsy mahalala ny asan’ny mpamonjy voina sy ny tena

Card image cap
06-févr-2025

Nihatra nanomboka ny alin’ny 04 febroary 2025 ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara izay lazaina fa

Card image cap
06-févr-2025

Tsy rariny raha olona milaza ny mba maharary azy no ampidirina am-ponja,

Card image cap