airtel

Actualités

21-août-2025

Avotriniaina Andriamosa

«Na izahay nangataka «Autopsie» aza mbola tsy nahazo ny valiny!»

Sample post image

Manoloana ny fanaparitahana anaty tambajotran-tserasera fa aretim-po no nahafaty

21-août-2025

ny ben'ny tanànan'i Talata Volonondry, Rakotondrazaka Toky Niaina Mampionina, dia naneho ny heviny ny solombavambahoakan'Avaradrano, Avotriniaina Andriamosa, izay nangataka ny nanaovana «Autopsie» na fitiliana ny razana. Mahavariana ahy, hoy izy, ireo olona milaza mahita volana alohan'i Abib mahakasika ny "Autopsie" izay natao tamin'ny ben'ny tanàna Toky. Na izahay nangataka ny nanaovana ny «Autopsie» aza mbola tsy nahazo sy tsy nampahafantarina ny valiny ka tsy haiko hoe aiza no hanamarinan'ireo manaparitaka vaovao an-gazety sy an-tambajotra serasera izany! Mpifanerasera akaiky tamin'io ben’ny tanàna io ny tenako, hoy hatrany ny nambarany, fa olona tsy taizan’aretina no sady tsy manana aretina Itompokolahy ary salama tsara ny andron’ny zoma. omaly moa no nanatanterahana ny fandevenana ity ben'ny tanàna ity tao Mamoriarivo, Talata Volonondry. Takiana ny hamoahana ny marina mahakasika ny fahafatesany, hoy hatrany ny voalaza!
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-août-2026

Roa maty nihotsahan'ny tany, roa naratra mafy

Card image cap