airtel

Actualités

15-mars-2024

Banky ropitra ny Jirama

Tsy ampy ny solika, efa lasa krizy ara-tsosialy sy ara-toekarena…

Sample post image

Henjana ny delestazy any Toamasina, hany mikolay ara-bakiteny ny olom-pirenena.

15-mars-2024

Ny alarobia alina no nisy fahatapahana, saingy 24 ora taoriana mbola tsy nivaha ny olana ho an’ny omaly. Ny alarobia tamin’ny 9ora maraina no tapaka, ary tsy miverina raha tsy amin’ny 7ora sy sasany hariva, kanefa zara raha mandeha kely dia tapaka indray tamin’ny 8ora sy sasany, ary nitohy omaly. Velon-taraina ny olona satria maro ny voka-dratsy aterany amin’ny asa fivelomana, toekarena, ny fandriampahalemana. Nisy andian'olona olona nilanja sorabaventy milaza fa leo delestazy, naneho ny fahasosorany tamin’ny fitondrana sora-baventy samihafa ny olona, ary betsaka ny fanehoan-kevitra nilaza fa efa tsy rariny intsony. Tetsy ankilany dia nampitomboana isa ireo mpitandro ny filaminana niambina ny foibe famokarana herinaratra ao Toamasina. Potika ireo fihariana mila herinaratra, toy ny mpivarotra trondro, hena, akoho, mpanao sodira,… Efa lasa krizy ara-tsosialy, hany ka tonga hatrany amin’ny fanakanan-dàlana sy fandorana kodiarana omaly hariva tao Ambolomadinika satria voalaza fa tsy hivaha ao anatin’ny fotoana fohy ny olana noho ny pitsopitsony amin’ny fikirakirana ny solika. Tsy olana ara-teknika fa olana mikasika ny fahatarana amin'ny famatsiana ny solika hihodinan'ireo milina mpihary herinaratra ao amin’ny toby famokarana an'ny Enelec sy Jirama Betainomby no fototr'ity fahatapahan-jiro ao Toamasina ity, raha ny fanazavan’ny Fitaleavana Iraisam-paritry ny Angovo sy ny Akoran'afo Toamasina. Ny vokatra avy any Volobe 1 irery sisa no tsinjarain'ny Jirama ao Toamasina amin'izao mandra-pivahan’ny olana, hoy hatrany ny fanazavana. "Tsy misy vola ividianana solika ny fanjakana, izay no marina", hoy i Roland Ratsiraka (MTS). "Mikatso ny asam-panjakana, potika ny fiharian'ny olona noho ny tsy fisian-jiro, miakatra ny vidin-javatra rehetra, ny làlana tapitra potika, famitaham-bahoaka ny fitenenana fa Madagasikara tsy maintsy mandroso", hoy ity mpikambana mpanorina ny Kôlektifa an'ny Malagasy ity. Tsara ny manamarika, fa ny herinandro lasa teo no nihetsika am-pilaminana naneho ny tsy fahafaliany ihany koa ny ao Mahajanga noho ny delestazy lava izay tena manimba ny asa fihariana maro samihafa, ary io miitatra any Toamasina io indray. Na ny teto Antananarivo aza, dia nisy ihany koa ny fahatapahana nisesy tamin’ny toerana maro ny takarivan’ny alarobia lasa teo, ankoatra ny efa fahatapatapahana mahazatra. Herinandro taorian’ny fandalovan’ny Filoha Rajoelina izay nampanantena zavatra maro tao Toamasina no miseho izao !
TSY AMPY VOLA HIVIDIANANA SOLIKA ?
Toa manamafy ilay fanapahan-kevitry ny Fanjakana nampihena 20% ny fandanian-tsolika amin’ny tobim-pamokarana manerana ny Nosy ankoatra an’Antananarivo, Nosy Be, ary Sainte Marie,... izay efa iainana ny voka-dratsiny. Toe-javatra maneho fa tsy ampy vola hividianana solika ny Fanjakana, ary mety manenjana ihany koa ireo mpamatsy sy mpiara-miombon’antoka. Isan’ny vahaolana resahan’ny mpitondra matetika anefa ilay efa fahatongavan’ny milina lehibe 9 efa ao Toamasina mahavokatra 105MW hatao eny Ambohomanambola, kanefa ny solika hanodinana ireo efa mipetraka aza ity olana be. Marina fa misy ny firesahana foana an’ireo « parcs solaires » 47 izay hamokatra 50MW ary heverina fa hahavaha olana, hampihena 18 tapitrisa litatra ny fandanian-tsolika iray taona, hampihena 90 miliara Ar ny fandaniana solika,… araka ny fanazavan’ny Minisitry ny angovo ny 16 febroary teo. Efa mitovitovy amin’izany ihany ny fomba firesaka tany amin’ny janoary 2022 fa vao tafapetraka ny milina faha-4 ao Andekaleka dia hivaha ny olana, afaka 6 ka hatramin’ny 8 volana dia ho foana ny delestazy,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Nifoha indray ny afera Jirama mikasika kolikoly goavana nahasaraingotra ireo mpitantana sasany.

Card image cap
14-mai-2024

Mbola mahatratra 50.000 ireo raharaham-pitsarana mihantona eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga

Card image cap
14-mai-2024

12 tapitrisa Ariary no vidin’ilay vola volamena 50 Ariary milanja 1 Oz na 31,104 grama,

Card image cap
14-mai-2024

Endrey izany fiedinedin’ireo mpanao politika, maneho ny antsoina hoe :

Card image cap
14-mai-2024

Mikolay ny mpampiasa sy mpikirakira internet nanomboka ny alahady tolakandro teo noho ny haratsian’ny

Card image cap
14-mai-2024

Lasa mpilalao sary mihetsika malaza i Marc Tatandraza.

Card image cap