distrikan’Antsohihy. Raha araka ny fantatra dia nisy ratra teo amin’ny vatan’io zazakely io ary teo akaikin’ny fanariam-pako no nariana ny vatana mangatsiakany. Zaza heverina fa vao teraka ity zaza ity no nodarohana mba ho faty, raha ny fahitàna ny ratra teo amin'ny lamosiny izay manakaiky ny tendany. Niankohoka rahateo no nahitana azy raha ny fanazavan'ireo olona nanatri-maso. Olona sendra nandalo moa no nahatsikaritra ity tranga mampalahelo ity. Tsiahivina moa fa ankoatra ny fanolanana dia nahazo vahana ihany koa tato ho ato ny fanariana zaza nalana na zaza vao teraka eny amin’ny fanariam-pako…Misy mihitsy aza ilay nalevim-belona toy ny nitranga tany Toliara ka ny tapany ambany no nototoran’ireo tsy mataho-tody tany. Amin’ny ankapobeny moa raha araka ny fanazavan’ny psikology iray dia vokatry ny olana ara-tsaina mety mahazo ilay Reny niteraka no mahatonga ireny hanaotao foana tahaka izany toy ny fandavana na fanarian’ny olon-tiany azy arahin’ny fahasahiranana lalina mety mahazo azy sy ny fianakaviany vokatry ny hasarotan’ny fiainana. Na inona na inona anefa mety ho antony dia famonoan’olona hatrany no dikan’izany izay melohin’ny lalana tanteraka.
Pati
Legende : Santionany tamin’ireo zaza nisy nanary !
Tontosa omaly alakamisy 16 janoary 2025 teny amin’ny Fitsarana tampony Anosy ny fametrahana sy fianianana
Mihamahazo vahana hatrany ny tsy fisian-drano eto amintsika. Antony hitadiavan’ireo mpanao
Hisy fivarotana amin'ny alalan'ny lavanty kojakoja elektrika avy amin'ny Jirama,
Efa lasa manalavitra ny morontsirak’i Madagasikara hatrany hatramin’ny omaly hariva fotoana
Fahotana faratampony amin’Andriamanitra no sady miteraka ozona mahatsiravina ny Ray manam-bady ny zanany
Tovolahy iray manodidina ny 35 taona eo ho eo no fantatra fa hita faty tao anaty tano tao Ampitarihana,