airtel

Actualités

20-mai-2025

Ben'ny tanànan'i Bemanonga teo aloha

Hita faty nihantona i Miadamana Roberto

Sample post image

Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,

20-mai-2025

kaominina ambanivohitra Bemanonga, i ROBERTO Miadamana, izay Ben’ny tanàna teo aloha tao an-toerana. Voalaza fa nanaton-tena ny tenany. Araka ny tatitry ny fianakaviany sy ireo nanatri-maso, dia nahitana taratasy roa teo akaikin’ny razana, saingy efa nalain’ny mpitandro ny filaminana. Tsy mbola mazava hatreto ny antony nahatonga azy hanao izany fihetsika izany, hoy ny fanamarihana. Voalaza fa misy hafatra mahakasika ny toerana handevenana azy izay ao Androvabe kaominina Bemanonga ihany tamin’ny alalan’ny taratasy izay navelany. Rehefa maina hono ny nofo mangatsiakany vao entina any an-tanindrazany. Nialoha izany nisy ny karazana fanehoan-kevitra nataony tamin'ny tambajotran-tserasera toy ny hoe: "mafy ity fiainana ity, ao ny mamosavy, ao ny maniry ny tena ho faty", "raha mandao ity tany be fahoriana ity aho dia hifety amin'izay ianao mpanenjika ahy",... Toa maneho ireo fa nanana olana manokana ity olom-boafidy teo aloha ity saingy mety mbola betsaka ihany koa ny zavatra ambadiky ny fahafatesany. Anisan'ireo olom-boafidy sahy nijoro sy nanatsikafona ireo toe-javatra tsy manjary, toy ny resaka asan-dahalo sy tsy fandriampahalemana Itompokolahy Miadana Roberto fony mbola Ben'ny tanana. Mankahery ny fianakaviany.
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-juin-2025

Niakatra Fitsarana omaly ny raharaha iray anenjehana an’i Fernand Cello,

Card image cap
25-juin-2025

Nifarana omaly tetsy amin’ny Novotel Alarobia ny atrikasa nandinihan’ny teo anivon’ireo

Card image cap
25-juin-2025

Triatra ny fo, hoy ny renim-pianakaviana iray, mahita ireto mpiray tanindrazana mifandimby

Card image cap
25-juin-2025

Niamboho omaly ny Me Lala Ratsirahonana, Mediatioran’ny Repoblika. Mpisolovava,

Card image cap
25-juin-2025

Mafy ny mahazo ireo mpivarotra arendrina vita Malagasy.

Card image cap
25-juin-2025

Ny tsy fananan'asa no anisan'ny fototra miteraka ny tsy fandriampahalemana eto amintsika.

Card image cap