airtel

Actualités

12-févr-2024

BIBY TSY FANTATRA MIHINANA BIBY FIOMPY

Tonga any Miandrivazo, ondry miisa 3 maty

Sample post image

Raha tany amin’ny distrikan’i Moramanga no nandrenesana vaovao mikasika ilay

12-févr-2024

biby tsy fantatra mihinana biby fiompy toy ny omby dia tonga any amin'ny Fokontanin’i Soatanimbary Kaominina ambanivohitra Manambina, Distrikan'i Miandrivazo , Faritra Menabe indray io biby io amin’izao fotoana. Ondry miisa 11 no fantatra fa lanin’ilay biby tsy fantatra anarana no sady nahitàna kaikitra avokoa toy ny tendany, ny vatany…. Ny 03 tamin'izy ireo no namoy ny ainy raha naratra kosa ny 08 ambiny. Efa nisy tranga nitovy tamin'io ihany koa raha araka ny fantatra tany amin’ny Fokontany hafa tao anatin’ity kaominina iray ity ihany saingy tsy maro ireo biby fiompy maty sy naratra. Lasa feno tebiteby sy matahotra vokatr’izany ireo mponina any an-toerana ka tsy misy sahy mivoaka alina intsony. Vao maizimaizina dia efa manidy trano ny rehetra no sady nanamafy ny fitoeran’ny biby fiompiny ihany koa. Mbola tsy fantatra moa hatreto ity karazam-biby mihinana biby fiompy ity na ho an’ny distrikan’i Moramanga izany na ho an’i Miandrivazo. Amin’ny alina rahateo izy no mivoaka.
Pati
Legende : Santionany tamin’ireo biby fiompy maty tany Miandrivazo !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap