airtel

Actualités

04-juin-2026

CNAPS

Nikatso ny fanendrena ny Tale jeneraly

Sample post image

Banga efa ho dimy volana izao ny

04-juin-2026

toeran'ny Tale jeneralin'ny Tahirim-pirenena ho an'ny fiahiana sosialy na CNAPS taorian'ny fametraham-pialan'Atoa Vimbina Rahaingonjatovo ny 7 Janoary 2026, nitana farany io andraikitra io. Ny Minisiteran'ny Asa, ny fampananan'asa ary ny Asam-panjakana no nandray an-tanàna ny fikarakarana ny dingana rehetra mifandraika amin'ny fanendrena izay ho Tale jeneraly handimby azy. Nisy ny antso ho an'izay liana sy vonona hiantsoroka izany andraikitra izany. Nahatratra 109 ireo namaly ny antso, nametraka atontan-taratasy ka 37 tamin'ireo no tafavoaka taorian'ny fandinihana ny dosien'izy ireo ka niatrika ny dingana manaraka nanao fitsapam-pahaizana. Nankinina tamina andiana manampahaizana manokana avy amin'ny sokajin-draharaha samihafa ny fitsapana azy ireo. Kandida 13 tamin'ireo indray no tafavoaka niatrika ny dingana farany hamoahana ireo kandida hatolotra ny governemanta hanendrena izay ho Tale jeneraly. Teo no fantatra fa nihantona ny dingana. "Mbola miandry ny fanendrena Tale Jeneralin'ny CNAPS. Tsy andraikitry ny Filankevi-pitantanana moa ny fanendrena", hoy Rtoa Razafindrakoto Noro Harimisa, filohan'ny Filankevi-pitantanan'ny CNAPS. "Tsy mbola misy" ihany ny tolotr'anarana naroso any amin'ny governemanta, fa "mbola mihantona", araka ny fanazavany. Tsy nahazoana andinindininy ny antony nampihatona ny dingana fanendrena ny Tale Jeneralin'ny Cnaps ity, misy ifandraisany amin'ny niovan'ny governemanta ve ? Maneho ny ahiahiny ireo mpikambana mpandoa latsakemboka sao hisy fiantraikany ratsy ara-pitantanana sy amin'ny fisitrahan'ny mpiasa sy ny beantitra ireo zo sy tombontsoany ny fitarazohan'ny fanendrena ny Tale Jeneralin'ny Cnaps, ka anairan'izy ireo ny fitondram-panjakana.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap