airtel

Actualités

14-août-2026

CNaPS

Voatendry ho Tale Jeneraly i Soatiana Betty Leonne

Sample post image

Voatendry ho Tale Jeneralin’ny CNaPS

14-août-2026

Caisse Nationale de Prévoyance Social) Ramatoa Florent Soatiana Bety Léonne, araka ny tatitry ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly. Tsy vahiny amin’ity rafitra ity izy, satria efa nitana ny toeran’ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana teo aloha tao anatin'ny governemanta Herintsalama Rajaonarivelo, Minisitera izay mpiahy ny CNaPS. Nandritra ny fitantanany dia nisy fanavaozana lehibe teo amin’ny sehatry ny tombontsoa ara-tsosialy, indrindra ny volan-jaza izay niakatra avy amin’ny 7 000 Ariary ho 10 000 Ariary, fiakarana 42%.Tamin’ny fitsidihany ny biraon’ny CNAPS teny Ampefiloha ny 20 Novambra 2025, dia nanambara ihany koa izy fa 90 000 Ariary no vola ho an’ny vehivavy bevohoka, ary 120 000 Ariary ho an’ireo mpitaiza kely. Mahatratra 273 000 moa ny isan’ireo mpisitraka manerana an’i Madagasikara, araka ny tarehimarika navoakany tamin’izany fotoana. Notsiahiviny fa efa ela no tsy nisy fanavaozana lehibe ny sandan’ny volan-jaza, ka napetraka ny paikady hanatsarana mivantana ny fiainan’ny vahoaka sy ny famahana olana ara-tsosialy. Ankehitriny, amin’ny maha-Tale Jeneralin’ny CNAPS azy, dia hiverina hitantana mivantana ny rafitra izay efa nosahaniny tamin’ny maha-minisitra azy i Florent Soatiana Bety Léonne, ka andrasana izay mety ho rivi-baovao sy ny fanavaozana entiny eo amin’ny sehatry ny fiarovana ara-tsosialy sahanin'ny CNaPS izay am-bolana maro tsy nisy Tale Jeneraly
Toky R
 

Dans la même rubrique

21-oct-2026

Natsikafon’ny PRRM fa

Card image cap
21-oct-2026

Mankaleo ilay kolikoly ! Soloy sy fongory izay tsy manjary !»

Card image cap
21-oct-2026

Mety hiteraka fahafatesana tampoka fa mba hamarino ! »

Card image cap
21-oct-2026

toavintsika ny fanajariana sy fananantany

Card image cap
21-oct-2026

olona hiara-kiasa aminy ny

Card image cap
21-oct-2026

Mbola lehibe ny fanamby hampisitraka

Card image cap