airtel

Actualités

07-août-2026

CSI SY NY TANORA

Hifanome tanana sy hifanabe

Sample post image

amin'ny ady amin'ny kolikoly

07-août-2026

Manetsika ireo tanora Malagasy manerana ny nosy hampiroboroboana ny fahitsiana ny CSI. Ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa « Ady amin’ny kolikoly amin’ny alalan’ny fanabeazana sy ny tanora » ny (CSI), miaraka amin’ny fanohanan’ny Fikambanan'ny firenena miteny sy mampiasa ny teny frantsay (OIF) ary ny Konfederasionina Soisy. Miroso amin’ny fanentanana sy fanetsehana ireo tanora Malagasy hiatrika ny fihaonam-ben’ny tanora entina hampiroboroboana ny Fahitsiana izy ireo noho izany izay hotanterahina ny 01 sy 02 Oktobra ho avy izao eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Hetsika telo lehibe mifameno no hatao amin'izany. Kendrena ny hanasongadinana ny fahaiza-manaon' ireo tanora sy ny fahaiza-mamorona hananany hahafahany mirotsaka an-tsehatra amin’ny fampiroboroboana ny kolontsain’ny fahitsiana, ny mangarahara ary ny andraikitra maha-olom-pirenena. Ireo tanora 18 ka hatramin’ny 35 taona no antsoina handray anjara amin’ny fihaonam-be ary kendrena ny hisian’ny solontena isam-paritra amin’izany. Hitohy amin'ny fifaninanana nasionaly amin’ny famoronana sary famantarana manokana (logo) ny hetsika. Hisy ny fanomezana ny rafitra miady amin’ny Kolikoly (SAC) mari-pamantarana hita maso, iraisana, izay maneho sy manasongadina ny andraikitra, ny soatoavina ary ny fifamenoan’ny asa sahin’izy ireo. Notanterahina ihany koa izany mba hampiroboroboana ny soatoavin’ny fahitsiana eo amin’ny tanora, hanamafisana ny fahalalan’izy ireo ny SAC ary hanasongadinana ny fahaiza-mamorona ananan’ny tanora malagasy. Ho an'ny fifaninanana nasionaly amin’ny famokarana horonantsary fohy mitondra ny lohahevitra hoe « Ny anjara andraikitry ny tanora amin’ny fampiroboroboana ny fahitsiana » dia azon'ny rehetra handraisana anjara izany. Hisy ihany koa mandritra ireo roa andro ireo « Vohitry ny Fahitsiana » hatsangana eny amin’ny esplanade Ankatso, sSehatra iray misokatra ho an’ny daholobe, hampahafantarana ny andraikitra sy hetsika sahanin’ny SAC, ny sampan-draharaham-panjakana, ireo fikambanana avy amin’ny fiarahamonim-pirenena ary ireo mpiara-miombon’antoka misehatra amin’ny fampiroboroboana ny fahitsiana.
Pati
Légende : Ireo tanora voakasika ! 

Dans la même rubrique

11-sept-2026

Hivaly ny 12 oktobra ny fangatahan-dRavatomanga

Card image cap
10-sept-2026

Miahiahy sy miampanga olom-boafidy TGV ireo voakasika

Card image cap
10-sept-2026

tokony hahintsy ny fifidianana!»

Card image cap
10-sept-2026

ny volan’ny orinasan-dRajoelina

Card image cap
10-sept-2026

Niseho tamin’ny alalan’ny « visioconférence »

Card image cap
10-sept-2026

Hovitaina mialohan'ny faran'ny taona

Card image cap