airtel

Actualités

14-août-2026

Dany Rakotoson

«Tsy tokony ho vonjitavanandro

Sample post image

intsony ny fikaonandoha eo!»

14-août-2026

Niainga tamin’ny tsy fahampian’ny fanabeazana teto amin’ny firenena ny sakana tsy nampandroso antsika, hoy ny mpandinika fiainam-pirenena, Dany Rakotoson. Nampiasa fotsiny izay navelan’ny mpanjanaka no nataontsika, hoy izy. Na ny resaka fampianarana na demokrasia na ireny fomba niainan’ny vazaha tamin’ny fanjanahantany ireny, izay iainan’ny eoropeanina, dia tsy mifanaraka mihitsy amin’ny nanabeazana ny malagasy dia ny fihavanana. Mametraka foana ny toetsaina malagasy dia ny fanajàna raiamandreny foana isika. Ny an’ny vazaha napetrany amin’ny hoe izay mahay sy manankarena. Raha miteny, ohatra, ny malagasy hoe «Ny hazo avo halan-drivotra.» na koa hoe «Ory hava-manana!» dia nentin’ny malagasy ireny rehetra ireny mba hisian’ny fanabeazana rian-drano mba hitovitovy foana ny fari-piainan’ny malagasy. Raha mijery ny razambentsika isika dia mahita fa nitovitovy avokoa ny fari-piainan’ny malagasy taloha. Taty aoriana lasa misy ny elanelana na hoe «classe social». Tsy nisy teo amin’ny malagasy izany fa nisy fotsiny ny hoe resaka andriana sy resaka hova. Ny sata fotsiny no nampiavaka ny tsirairay. Ankehitriny rehefa mijery ny antoko politika misy eto isika dia tsy mahita antoko hoe tena manana foto-kevitra sy mahatarika na mahaofana olona fa dia mbola azo lazaina hoe mpanara-raotra ny ankabeazan’ny mpanao politika eto. Manova palitao isaky ny mihetsika no fanao satria tsy niheritreritra hanova ny olona nitarika fa niheritreritra handova ny fanao tany aloha fotsiny. Tsy nisy nisaina izay ivoahan’i Madagasikara anaty fahantrana fa dia tsy nanao afa-tsy ny nanararao-pahefàna. Tsy misy afa-tsy fikaonandoha no hamaha olana ary fikaonandoha ho an’olona voafantina araka ny fokontany na kaominina na faritra na distrika misy azy avy mba tsy hifono fitaka ny fehinkevitra hivoaka avy eo. Tsy tokony ho vonjitavanandro intsony ny fikaonandoha eo ka hoe hizaràna toerana fotsiny, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

14-août-2026

miazo an'i Toamasina

Card image cap
14-août-2026

Voatendry ho Tale Jeneralin’ny CNaPS

Card image cap
14-août-2026

no filan'Antananarivo

Card image cap
14-août-2026

Efa hita ireo Ray aman-dReniny

Card image cap