airtel

Actualités

05-sept-2025

Delestazy mamotika, tandindon’ny fitantanana tsy manjary

Efa nisy ambim-bava raha tanteraka ireo fampanantenana poakaty…

Sample post image

Lasa fampanantenana sy fanamby sisa ny hoe : ezahana tsy hisy

05-sept-2025

fahatapahana ny jiro ao anaty fotoanan’ny baolin’ny Barea. Adino fa tsy baolina ihany no ilàna herinaratra sy angovo fa ny seha-pihariana maro. Zava-doza ny fiantraikan’ny delestazy, mampitotongana ny toekarena na ny fihariana madinika io na ny fihariana vaventy. Mihoatra ny 60% amin’ireo mpivarotra eny fian-tsena no milaza fa manimba ny entana sy mampihena ny mpanjifa ny fahatapahana herinaratra. Mihena 30-50% ny vola miditra aminay, hoy ny toeram-pivarotana madinika iray nanaovana fanadihadiana. Voatery hahena ny zavatra vokarina sy amidy miankina amin’ny herinaratra toy ny « yaourt » satria tsy misy herinaratra. « Tena betsaka ny zavatra tokony hataoko, saingy tsy maintsy hajanona noho ny delestazy », hoy ny renim-pianankaviana iray. Raha mivarotra entana ilàna vata fampangatsiahana dia banga tanteraka izany ankehitriny. Ampahany izany, fa ireo poissonnerie, ny coiffure,… tsy misy tsy mikolay. Ireo orinasa lehibe na ny indostria samihafa moa tena mikolay, toy ny zone Franche izay mampiasa olona eo amin’ny 150 000 eto amintsika. Miakatra ny fandaniana, miakatra ny mason-karena noho ny herinatra,… Ny sehatra ara-pahasalamana, toy ny hopitaly sy tobim-pitsaboana, dia miatrika loza mitatao amin’ny fitaovana sy fitehirizana fanafody, ka miteraka fahasimbana sy zava-doza samihafa. Hatramin’izao, tsy hita izay vahaolan’ny Fanjakana. Tany amin’ny novambra 2024, nampanantenain’ingahy Andry Rajoelina fa tsy tokony hisy delestazy ao anatin’ny ora fiasana (amin’ny 6ora maraina hatramin’ny 10ora alina). Ny volana jona teo, nolazaina fa hihena ny delestazy amin’ny atoandro, nolazaina fa tsy hamelana ireo mpanodinkodina solika,… Ny tany aloha dia ny 400MW anatin’ny 5 taona tamin’ny 2018, ny ho foana afaka 6-8 volana ny delestazy ny janoary 2022, ny nilazana fa 1000MW indray ny tanona,… dia efa zary balarora sy lainga raofina namitahana sy nampanantenana poakaty vahoaka. Hatrany amin’ny tetezamita no efa noresahana hatramin’ny « éolienne ». Nanaovana serasera fa ho avy ny sinoa, ho tonga ny arabo, hanohana ny Frantsay,… fa poakaty hatreto !
TARATRY NY TSY FITANTANANA MAMOTIKA
Raha ny serasera poakaty mikasika ny famahana ny olan’ny herinaratra notanisain’i Andry Rajoelina nanomboka ny tetezamita no tanteraka, efa nanana ambim-bava isika ohatr’izao. Raha nanana ambim-bava ara-bola sy nahazo tombony ny Jirama talohan’ny fanonganam-panjakana 2009, dia potika sy bokan-trosa an-jatony tapitrisa dolara, an’arivony miliara Ar maro,… ny Jirama ankehitriny. Nampanantenaina fa hampitomboina ny famokarana angovo, hampihena ny solika, ary hampandrosoana ny angovo azo havaozina. Notsindriana fa hampiasaina ny angovo madio, ary hatsaraina ny fotodrafitrasa JIRAMA. Saingy hatramin’izao, dia miharatsy ny toe-draharaha: delestazy miverimberina, tsy misy ora voafaritra, manomboka amin’ny maraina ka hatramin’ny alina, tsy misy fanazavana mialoha, tsy misy fanonerana, tsy misy fanekena andraikitra. Taratry ny fitantanana firenena makany amin’ny fitotongana ny Jirama mitsipozipozy, ny AirMad maty,… Misy vola rehefa rendrarendra, fa rehefa hamaha olana misitri-belona !
Toky R
 

Dans la même rubrique

10-nov-2025

Rehefa vita ny fifidianana ben'ny tanàna

Card image cap
HCC
07-nov-2025

Tafiditra tao anatin’ilay fanapahana mitondra

Card image cap
07-nov-2025

fa asehon’ny filan’ny vahoaka eny »

Card image cap
07-nov-2025

Mihazakazaka ny raharaha Mamy Ravatomanga

Card image cap
07-nov-2025

Nitady fanelanelanana angaha isika !

Card image cap