airtel

Actualités

04-juin-2026

DELESTAZY

Manomboka manao ny hataony ny eny Itaosy

Sample post image

Mitady hiverina indray ny delestazy

04-juin-2026

Manomboka manao ny hataony izy eny Itaosy, distrikan'Atsimondrano eny. Afak'omaly Talata 02 Jona ohatra dia nahatratra ora iray teo ho eo izany, tamin'ny fotoana tena nilan'ny mponina herinaratra mihitsy. Nanomboka tamin'ny 07 ora hariva ny fahatapahana ka hatramin'ny 08 ora alina. Omaly Alarobia indray dia nanomboka tamin'ny 11 ora sy sasany atoandro ny fahataoahana. Betsaka ireo sorena vokatr'izany. Efa reraky ny fitohanana sy ny asa aman-draharaha mantsy nefa mbola haizina ihany koa no nitsena vantany vao tonga tao an-trano. Manomboka tafiditra ao anaty fandaniana indray noho izany ny fividianana labozia. Na izany aza moa dia fantatra fa efa manao izay ezaka rehetra hanafoanana ny delestazy ny Fitondram-panjakana. Antso avo araka izany no hataon'ny mponin'Itaosy mba hijerena manokana iny faritra iny. Manimba fananana rahateo ny fiverenan'ny herinaratra tampoka raha mitohy matetika izany.
Pati
Légende : Mahasorena olona amin'ny ankapobeny ny delestazy sady manimba fitaovana !
 

Dans la même rubrique

23-oct-2026

Sinoa iray tratra nitondra volamena

Card image cap
23-oct-2026

Manome lanja ny tontolon’ny

Card image cap
23-oct-2026

Misy vatsim-pianarana 12 hiofanana atsy Maorisy

Card image cap
23-oct-2026

Hiverina amin’ny heriny, eny

Card image cap
22-oct-2026

tohin’ny afera Nosy Be Hell Ville…

Card image cap
22-oct-2026

Notsipahan’ny HCC ny andininy miisa roa

Card image cap