Manomboka manao ny hataony izy eny Itaosy, distrikan'Atsimondrano eny. Afak'omaly Talata 02 Jona ohatra dia nahatratra ora iray teo ho eo izany, tamin'ny fotoana tena nilan'ny mponina herinaratra mihitsy. Nanomboka tamin'ny 07 ora hariva ny fahatapahana ka hatramin'ny 08 ora alina. Omaly Alarobia indray dia nanomboka tamin'ny 11 ora sy sasany atoandro ny fahataoahana. Betsaka ireo sorena vokatr'izany. Efa reraky ny fitohanana sy ny asa aman-draharaha mantsy nefa mbola haizina ihany koa no nitsena vantany vao tonga tao an-trano. Manomboka tafiditra ao anaty fandaniana indray noho izany ny fividianana labozia. Na izany aza moa dia fantatra fa efa manao izay ezaka rehetra hanafoanana ny delestazy ny Fitondram-panjakana. Antso avo araka izany no hataon'ny mponin'Itaosy mba hijerena manokana iny faritra iny. Manimba fananana rahateo ny fiverenan'ny herinaratra tampoka raha mitohy matetika izany.
Pati
Légende : Mahasorena olona amin'ny ankapobeny ny delestazy sady manimba fitaovana !
Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy