airtel

Actualités

13-sept-2022

Actualités

Delestazy tsy an-kijanona Mampijaly ireo mpianatra manao enti-mody ihany koa

Sample post image

Tsy ny mpiasa sy miasa tena ihany no misedra fijaliana amin’ity delestazy tsy an-kijanona eto amin’ny firenena ity. Ny an’ny faritra sasany mandritry ny 3 ora.

13-sept-2022

Ny sasany 10 ora. Ny sasany aza moa aman’andro mihitsy, raha ireo fitarainana voaray isan’andro no jerena. Mampijaly ireo mpianatra manao enti-mody ihany koa ankehitriny ity fahatapahan’ny herinaratra lavareny ity. Maro ireo mpampianatra no manome enti-mody amin’ny alalan’ny hafatra miafina anaty tambazotran-tserasera amin’izao andron’ny tekinolojia izao. Efa izay rahateo moa ilay politikam-panabeazana teren-ko masaka ampiharina eto amin’ny firenena na dia mbola iaraha-mahalala aza ny zava-misy. Rehefa tsy vita any am-pianarana ny manome enti-mody ho an’ireo ankizy dia amin’ny alalan’ny MP ao amin’ny Facebook izany no mahita ny tohiny. Tsy voatery hahatakatra finday raitra na fimaso kely, izany hoe, “tablette” avokoa ireo mpianatra ary na manana aza misy amin’ireo fitaovana no hiharan’ny fahasimbana toy ny fitsorahan’ny vatoaratra vokatr’ity delestazy tsy an-kijanona ity. Sady tsy mety hametraka rafitra mifanaraka amin’ny zava-misy eto ve izany ny fitondrana mijoro na eo amin’ny lafiny politika na toekarena na fanabeazana no mbola tsy mahita vahaolana mifanandrify amin’ny olana miseho hatramin’izao ihany koa?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-janv-2025

Goavana ny fanarenana miandry, raha ny toekarem-pirenena eto Madagasikara no asiana resaka.

Card image cap
16-janv-2025

Nipoitra indray ny Kolonely Charles Andrianasoavina izay isan’ny nanamarika ny tantara tamin’ny 2009

Card image cap
16-janv-2025

Nanomboka ny alatsinainy 13 ka nifarana ny alarobia 15 janoary 2025 tao amin’ny trano fivorian’ny Minisiteran’ny

Card image cap
16-janv-2025

Efa nahazatra ireo mpikirakira fifandraisan-davitra toy ny amin’ny alalan’ny finday hatramin’izay

Card image cap
16-janv-2025

Hita ho tena sahirana ny vahoaka malagasy, raha ny mikasika ny sosialim-bahoaka tamin’iny taona 2024 iny,

Card image cap
16-janv-2025

Niato sahady indray ny rotsak’orana izay neverina hifampitohy tao anatin’ny 3 andro,

Card image cap